Hijery ny anatiny

7 MARTSA 2022
ROSIA

Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa Nanitsakitsaka ny Zo Fototra Ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fahafahan’izy Ireo i Rosia

Nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona fa Nanitsakitsaka ny Zo Fototra Ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fahafahan’izy Ireo i Rosia

Namoaka didy roa manome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah 15 ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 22 Febroary 2022. Mahakasika ny fampijalian’ny polisy an’ireo rahalahy sy anabavintsika nandritra ny fisavana ny tranony ireo raharaham-pitsarana ireo, ary zava-nitranga teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2012 no tafiditra amin’ilay izy. Araka ny didy navoakan’ilay fitsarana, dia meloka ny fanjakana rosianina satria nanitsakitsaka ny zo fototra ananan’ireo rahalahy sy anabavintsika hoe hanaraka an’izay fivavahana tiany. Nasaina nandoa onitra 99 000 euros mahery (430 000 000 ariary mahery) ny fanjakana rosianina. Tsy azo atao ny mangataka ny hanafoanana an’ireo didim-pitsarana ireo.

Mihatra amin’ny raharaham-pitsarana enina iadiana amin’ny fanjakana rosianina ireo didy roa navoakan’ny fitsarana ireo. a Fa inona no nahatonga an’ireo raharaham-pitsarana ireo? Nilaza ireo voampanga fa tsy ara-dalàna ny fahazoan-dalana hanao fisavana nampiasain’ny polisy rosianina ka nahatonga an-dry zareo hanao bemidina tany amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro sy tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray, ary nahatonga an-dry zareo haka ny fananan’ireo Vavolombelona sy hitaky tamin’ny anabavy roa nosavana hoe mila manala ny akanjony rehetra ry zareo. Marihina fa nosamborina ireo anabavy ireo satria nitory ny vaovao tsara. Polisy nisaron-tava sy nitondra basy no nanao ny sasany tamin’ireo fisavana ireo, ary nikasi-tanana an’ireo rahalahy sy anabavy ry zareo.

Naka hevitra tany amin’i André Carbonneau ny ekipana mpisolovava miaro ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpisolovava manam-pahaizana momba ny zon’olombelona Atoa Carbonneau. Nilaza izy fa tena zava-dehibe ireo didy navoakan’ny fitsarana ireo, ary “ho azo ampiasaina izy ireo amin’ny hoavy mba hanaporofoana fa tsy rariny sady tsy ara-dalàna ny nanaovan’ny manam-pahefana rosianina bemidina tany amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tafiditra amin’izany ny nanaovana bemidina tany amin’ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah 1 700 hatramin’ny nandrarana ny asan’izy ireo tamin’ny 2017. Manomboka izao, dia fandikana lalàna sy fandikana ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny hoe manao bemidina any an-tranon’olona satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy.” Nilaza koa Atoa Carbonneau hoe: “Tsara homarihina fa nomelohin’ilay Fitsarana ny manam-pahefana rosianina satria tsy namela ny Vavolombelon’i Jehovah hitory isan-trano. Hita amin’izany fa raha ny hevitry ny CEDH, dia asa mifandray amin’ny fivavahana ny fitoriana ka tsy manana zo hisakana ny olona tsy hanao an’izany ny manam-pahefana.”

Marina fa tsy manameloka ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ireo didy roa nivoaka ireo. Ho azon’ilay fitsarana ampiasaina anefa ireo didy ireo amin’ny hoavy rehefa hisy fanapahan-kevitra horaisina momba ny fandrarana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola mila mandamina raharaham-pitsarana 60 mahery mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah ny CEDH. Manantena isika hoe handray fanapahan-kevitra manome rariny antsika koa io fitsarana io rehefa handamina an’ireo raharaham-pitsarana ireo, fa mbola santatra am-bava rano fotsiny ireo didy roa navoakany ireo.

Faly isika rehetra hoe misy fikambanana miaro ny zon’olombelona manaiky fa manao ny marina ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Hita amin’ireny fanapahan-kevitra ireny fa tahin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hiarovana ny anarany sy hanohanana ny zony hitondra.​—Salamo 26:11.

a Ireto no anaran’ireo raharaham-pitsarana nalamina: Chavychalova miady amin’i Rosia; Cheprunovy sy Others miady amin’i Rosia; Novakovskaya miady amin’i Rosia; Ogorodnikov sy ny Hafa miady amin’i Rosia; Pekshuyev sy ny Hafa miady amin’i Rosia; ary Zharinova miady amin’i Rosia.