Hijery ny anatiny

Rahalahy Akopyan mivady (eo aloha, afovoany) sy ireo nanohana azy teny amin’ny fitsarana.

6 MARTSA 2019
ROSIA

Nofoanan’ny Fitsarana Iray any Rosia ny Didim-pitsarana Manameloka ny Rahalahy Akopyan

Nofoanan’ny Fitsarana Iray any Rosia ny Didim-pitsarana Manameloka ny Rahalahy Akopyan

Nofoanan’ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarie, tamin’ny 1 Martsa 2019, ny didy navoakan’ny fitsarana ambany kokoa izay nanameloka ny Rahalahy Arkadya Akopyan. Efa herintaona mahery izy no niakatra fitsarana satria nampangaina ho nizara boky lazaina fa “mampidi-doza”, sy ‘nitarika olona hankahala ny fivavahana hafa.’

Nomelohin’ny fitsarana ambany kokoa hanao asa fanasoavam-bahoaka ny Rahalahy Akopyan, izay 70 taona. Nanafoana an’io didim-pitsarana io anefa ilay didim-pitsarana vaovao navoakan’ilay Fitsarana Tampony.

Misaotra an’i Jehovah isika noho io fandresena io ary miara-paly amin’ny Rahalahy Akopyan. Mivavaka foana koa isika mba hiaritra ireo rahalahintsika ka tsy hivadika mihitsy.—2 Tesalonianina 1:4.