Hijery ny anatiny

10 FEBROARY 2021
ROSIA

Nolavina ny Fangatahan’ny Rahalahy Dennis Christensen hoe Havoaka Mialoha

Nolavina ny Fangatahan’ny Rahalahy Dennis Christensen hoe Havoaka Mialoha

Nolavin’ny fitsarana any Koursk, tamin’ny 10 Febroary 2021, ny fangatahan’ny Rahalahy Dennis Christensen mba havoaka aloha kokoa. Nangataka tamin’ilay fitsarana izy mba hosoloana onitra ny fotoana ambiny tokony hijanonany any am-ponja. Efa herintaona mahery izay i Dennis no nahafeno fepetra hafahana mialoha, nefa nolavina foana ny fangatahany.

Nanoratra ho an’i Irina vadiny i Dennis, vao haingana. Noresahiny tao ny andinin-teny iray anisan’ny tena tiany, hoe: “Koa aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.” (Galatianina 6:9) Nilaza izy hoe azony antoka fa hamaly soa azy mivady i Jehovah raha manao ny tsara foana izy ireo, manampy olona, ary tsy kivy mihitsy. Nolazainy koa hoe tiany raha matanjaka ara-panahy kokoa izy rehefa mivoaka ny fonja, raha oharina amin’ny tamin’izy niditra tao.

Efa tamin’ny Mey 2017 i Dennis no nosarahina tamin’i Irina, izany hoe efa ho efa-taona. Modely ho antsika izy mivady satria matoky an’i Jehovah, tony foana, ary tena tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy.—Filipianina 1:14.