Hijery ny anatiny

29 JANOARY 2021
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana Ambony any Rosia ny Fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah Enina

Nolavin’ny Fitsarana Ambony any Rosia ny Fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah Enina

Nohamafisin’ny fitsarana any Ulyanovsk, tamin’ny 29 Janoary 2021, ilay didim-pitsarana tamin’ny Oktobra 2020, izay nanameloka an’ny Rahalahy Aleksandr Ganin, Khoren Khachikyan, Andrey Tabakov, Mikhail Zelenskiy, ary Sergey Mysin sy Nataliya vadiny. Tsy niova ny sazy mihantona nomena azy ireo afa-tsy ny an’i Sergey. Raha efa-taona no azony tamin’ny voalohany, dia novan’io fitsarana io ho efa-taona sy tapany izany. Tsy misy mankany am-ponja aloha izy ireo izao.