Hijery ny anatiny

31 OKTOBRA 2013
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Fangatahan’i Rosia

Nolavin’ny Fitsarana Eoropeanina ny Fangatahan’i Rosia

Nisy didy navoakan’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra Amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona tamin’ny 6 Jona 2013, tamin’ny raharaha iray mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangataka ny handinihana indray an’io raharaha io ny fitondrana rosianina. Nolavin’ilay fitsarana anefa io fangatahana io tamin’ny 7 Oktobra. Voalaza tao amin’ilay didim-pitsarana fa nanitsakitsaka ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana ny Fanjakana Rosianina ka tsy maintsy mandoa onitra amin’i V. Zhukova sy Y. Avilkina. Tokony homena 5 000 euros (15 000 000 ariary eo ho eo) avy izy ireo. Tsy nahazo alalana tamin’izy roa vavy ireo akory mantsy ny manam-pahefana rosianina, fa tonga dia naka ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsaboana azy ireo. Nampakarin’i Rosia tany amin’io fitsarana io indray àry ilay raharaha, satria io ihany no afaka mandinika indray an’ilay izy. Tsy neken’io fitsarana io anefa ny fangatahan’i Rosia. Iny didim-pitsarana tamin’ny 6 Jona iny àry no tena manan-kery, ka noho izany dia tsy maintsy manaja ny zon’ny olona hanana ny fiainany manokana i Rosia, ary tsy maintsy mandoa an’ilay onitra efa notakina taminy.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Rosia: Grigory Martynov, tel. +7 812 702 2691