Hijery ny anatiny

15 APRILY 2021
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Aleksandr Ivshin

Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Aleksandr Ivshin

Nohamafisin’ny fitsarana any Krasnodar, tamin’ny 15 Aprily 2021, hoe migadra fito taona sy tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin. Mijanona any am-ponja ihany àry izy. Io no sazy henjana indrindra natao tamina Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ilay fandrarana tamin’ny 2017.