Hijery ny anatiny

13 MEY 2021
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Ranabavy Yuliya Kaganovich

Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Ranabavy Yuliya Kaganovich

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fangatahan’ny Ranabavy Yuliya Kaganovich, tamin’ny 13 Mey 2021. Neken’io fitsarana rosianina io kosa ny fangatahan’ilay mpampanoa lalàna hoe hovana ho sazy mihantona roa taona sy enim-bolana ilay sazy nomena an’i Yuliya tamin’ny voalohany, izany hoe ilay lamandy 10 000 roubles (135 dolara amerikanina). Tsy voatery hiditra am-ponja aloha izy izao.