Hijery ny anatiny

16 JONA 2021
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana any Rosia ny Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Sergey Verkhoturov

Nolavin’ny Fitsarana any Rosia ny Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Rahalahy Sergey Verkhoturov

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Nijni Novgorod ny fangatahana fampakarana fitsarana ambony nataon’ny Rahalahy Sergey Verkhoturov, tamin’ny 16 Jona 2021. Mihatra foana ilay sazy mihantona enin-taona nomena azy. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy amin’izao.