Hijery ny anatiny

31 MEY 2021
ROSIA

Nolavin’ny Fitsarana any Rosia ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Vavolombelona Efatra

Nolavin’ny Fitsarana any Rosia ny Fangatahana Fampakarana Fitsarana Ambony Nataon’ny Vavolombelona Efatra

Nolavin’ny fitsarana any Omsk ny fampakarana fitsarana ambony nataon’ny Rahalahy Sergey Polyakov sy Anastasia vadiny, Ranabavy Gaukhar Bektemirova ary Ranabavy Dinara Dyusekeyeva, tamin’ny 28 Mey 2021. Tazomina any am-ponja ny Rahalahy Polyakov, ary mbola mihatra ilay sazy mihantona ho azy telo mirahavavy.