Hijery ny anatiny

Rahalahy Konstantin Guzev

19 FEBROARY 2021
ROSIA

Nomelohina Noho ny Finoany ny Rahalahy Konstantin Guzev

Nomelohina Noho ny Finoany ny Rahalahy Konstantin Guzev

VAOVAO FARANY | Nolavina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ny Rahalahy Konstantin Guzev

Nolavin’ny Fitsaran’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Guzev, tamin’ny 13 Mey 2021. Hohamafisina izao ny sazy mihantona roa taona sy tapany efa nomena azy. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy izao.

Didim-pitsarana

Namoaka didim-pitsarana ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 18 Febroary 2021 hoe homena sazy mihantona roa taona sy tapany ny Rahalahy Konstantin Guzev. Tsy voatery migadra any am-ponja izy amin’izao.

Ilay voampanga

Konstantin Guzev

  • Teraka: 1964 (tany Khabarovsk)

  • Mombamomba azy: Masiaka be sy mpisotro toaka ny dadany. Nanontany tena izy hoe mba misy dikany ve ny fiainana. Tsy nahita ny valin’izany fanontaniany izany izy dia lasa nidoroka zava-mahadomelina sy nisotro toaka. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny farany dia nahafa-po azy ny valiny omen’ny Baiboly momba an’ireo fanontaniana nanahiran-tsaina azy. Nanao fiovana be izy. Natao batisa tamin’ny 2000. Nanambady an’i Anastasiya tamin’ny 2001

Mombamomba an’ilay raharaha

Anisan’ny nosavana ny tranon’i Konstantin tamin’ny Mey 2018 nandritra an’ilay bemidina nantsoina hoe “Andro Fitsarana.” Polisy 150 no nanao savahao tranona Vavolombelon’i Jehovah nanerana ny tanànan’i Birobidzhan, tamin’io. Nampangain’ny manam-pahefana ho mpanao heloka bevava i Konstantin tamin’ny 29 Jolay 2019. Nolazaina fa “nandamina ny asan’ny fikambanana iray mampidi-doza” izy, nefa izy nitarika fotoam-pivavahana fotsiny.

Miisa 19 ny raharaham-pitsarana iampangana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah 22 ao amin’ilay faritra, anisan’izany ny raharaha iampangana an’i Anastasiya, vadin’i Konstantin.

Mampahery an’i Konstantin sy Anastasiya ny mahita hoe be herim-po ireo rahalahy sy anabavy hafa any Rosia. Hoy i Konstantin: “Izaho mihitsy no nahita sy naheno anabavy nilaza tamin’ny voalohany hoe tsy hiteny na inona na inona izy ireo rehefa eny amin’ny fitsarana. ... Nanampy azy ireo anefa i Jehovah ary nivavaka ho azy ireo koa ny mpiara-manompo, dia sahy niteny sy niaro ny finoany izy ireo rehefa tonga tany.”

Mahatsiaro an’ireo mpiara-manompo rehetra any Rosia isika ary mivavaka ho azy ireo. Matoky isika hoe na inona na inona tetika ampiasaina mba handravana ny finoan-dry zareo, dia tsy hahomby izany satria manampy azy ireo i Jehovah.​—Isaia 8:10.