Hijery ny anatiny

Rahalahy Vasiliy Reznichenko

26 MARTSA 2021
ROSIA

Nomelohina hoe “Mampidi-doza” ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko, Izay Efa 78 Taona, Satria Nanompo An’Andriamanitra Tamim-pilaminana

Nomelohina hoe “Mampidi-doza” ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko, Izay Efa 78 Taona, Satria Nanompo An’Andriamanitra Tamim-pilaminana

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Amour tamin’ny 30 Jolay 2021 ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko, rehefa nampakatra fitsarana izy. Efa hampiharina izao ilay sazy mihantona roa taona nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy voatery migadra izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zeya, any amin’ny Faritr’i Amour ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko, tamin’ny 2 Jona 2021. Nomena sazy mihantona roa taona izy.

Ilay voampanga

Vasiliy Reznichenko

  • Teraka: 1942 (tany Murovka, Faritanin’i Primorye)

  • Mombamomba azy: Dimy ry zareo no mpiray tam-po dia izy no faralahy. Niofana ho mpitondra traktera, dia avy eo niofana ho mpanamory sambo sy mpanamboatra sambo simba tatỳ aoriana. Niasa tao amin’ny tafika. Lasa mpanamory sambo izy, rehefa avy niasa tao amin’ny tafika, dia tamin’ny farany lasa kapitenin-tsambo. Nahazo anaram-boninahitra hoe “Mpiasa Menavazana tao Amin’ny Firaisana Sovietika”

    Nanambady an’i Valentina tamin’ny 1969. Manan-janaka telo lahy ry zareo. I Valentina no nahalalany ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, tamin’ny 1990 tany ho any. Lasa tena tiany be ilay mianatra Baiboly rehefa nahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany izy. Natao batisa i Vasiliy tamin’ny 1996 dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Maty ny vadiny tamin’ny 2016

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao savahao ny tranon’ny Rahalahy Vasiliy Reznichenko ny polisy tany Zeya, tamin’ny 21 Martsa 2019. Nalain-dry zareo ny ordinaterany entin-tanana, ny telefaoniny, ary ny taratasiny. Natao tao anatin’ny lisitry ny olona “mampidi-doza” any Rosia izy nanomboka tamin’izay, sady tsy navela haka vola tao amin’ny kaontin’ny bankiny. Tsy mahazo miala an’ilay faritra koa izy.

Mbola miantehitra amin’i Jehovah foana i Vasiliy mba hanohana azy. Miezaka ny ho tony izy ka manao zavatra ara-panahy foana, ohatra hoe mamaky Baiboly sy manao teny vakina isan’andro. Mankasitraka ny fitiavana asehon’ny mpiara-manompo aminy koa izy.

Hoy izy: “Tonga nitsidika an’ahy ny rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonanay ny ampitson’ilay nisavana ny tranonay sy ilay nanadinadinana ahy. Nosavain’ny polisy koa ny [tranon’ny] sasany tamin-dry zareo. Nisy rahalahy sy anabavy maromaro avy any amin’ny tanàna teo akaiky teo koa nitsidika an’ahy, ny afakampitson’iny. Hitako hoe nanao vivery ny ainy ry zareo satria mety ho voasazy tamin’izany nataony izany. Tena nampahery be an’ahy mihitsy ny fitsidihan-dry zareo. Mbola latsaka foana ny ranomasoko hatramin’izao rehefa mieritreritra hoe tonga nitsidika ahy ry zareo.” Hoy koa izy: “Vao mainka aho lasa nifandray be tamin’i Jehovah noho ireny zavatra nitranga ireny. Lasa akaiky be an’ahy mihoatra noho ny hatramin’izay izy.”

Tena nanampy sy nampahery an’i Vasiliy ilay voalazan’ny Hebreo 13:5. Hoy izy: “Hiezaka foana aho hatoky an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’” Matoky isika hoe mbola hanohana foana an’ireo rahalahy sy anabavintsika enjehina noho ny finoany i Jehovah.