Hijery ny anatiny

Ny anabavy  Larisa Artamonova

15 FEBROARY 2021
ROSIA

Nomelohina ny Anabavy Larisa Artamonova Noho ny Finoany

Nomelohina ny Anabavy Larisa Artamonova Noho ny Finoany

Didim-pitsarana

Namoaka didy momba ny raharaha mahakasika ny Anabavy Larisa Artamonova ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 12 Febroary 2021. Saika nogadraina hatramin’ny enin-taona izy, fa nanapa-kevitra ny fitsarana hoe ampandoavina lamandy 10 000 roubles (135 dolara amerikanina) izy.

Ilay voampanga

Larisa Artamonova

  • Teraka: 1970 (Birobidzhan, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Nisy namono ny dadany tamin’izy telo taona. Mpanao mofomamy sy mpamorona sary ary mpanjaitra no asany. Nanambady izy tamin’ny 1990 ary manan-janaka lahy iray atao hoe Yevgeniy. Voan’ny aretina tsy fahita firy io zanany io. Marary koa i Larisa. Tsy miasa tsara ny hery fiarovany ka mamotika ny sela ao amin’ny tonon-taolanany. Mavitribitrika foana nefa izy na dia marary aza. Tia mitaingina bisikileta, milalao amin’ny kiraro misy kodiarana, manao skia, ary manao sary izy.

    Nianatra Baiboly izy satria te hahazo ny valim-panontaniany momba ny tsy rariny sy ny fahoriana ary ny faharatsiana. Nahafa-po azy ny valiny nomen’ny Baiboly ka natao batisa izy tamin’ny 1995.

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangain’ny manam-pahefana rosianina ho mpanao heloka bevava ny anabavy Larisa Artamonova, tamin’ny 25 Septambra 2019. Voampanga ho mpanao heloka bevava koa ny zanany lahy. Voampanga miaraka amin’ireo Vavolombelona 22 nolazaina fa nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana “mampidi-doza” izy mianaka, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy.

Gaga be ny maman’i Larisa sy ny dadakeliny hoe resaka fivavahana no saika nanagadrana an’i Larisa enin-taona latsaka. Ilay olona namono ny dadan’i Larisa mantsy no nahazo sazy hoatr’izany.

Taloha kelin’ny nanombohan’ilay fanenjehana tany Birobidzhan, dia nampitombo ny fanompoany an’i Jehovah izy mianaka. Hoy izy: “Lasa tsy matahotra intsony ianao rehefa be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah, sy rehefa zatra manao zavatra ara-panahy koa ianao sy ny fianakavianao.” Nilaza koa izy hoe: “Mampiasa ny mpanohitra i Satana mba hahatonga antsika hieritreritra hoe midi-kizo isika sady tsy hanana fahafahana intsony rehefa manompo sy mivory ary manao zavatra ara-panahy hafa. Mifanohitra amin’izany anefa fa manome toky antsika i Jehovah hoe rehefa mankatò an’izay lazainy ihany isika vao hahazo fahafahana.”

Matoky ireo mpiara-manompo amintsika 22 voampanga avy any Birobidzhan hoe tena ankasitrahan’i Jehovah, satria tsy mivadika sy manaporofo hoe diso ny fiampangan’i Satana.​—Ohabolana 27:11.