Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Anastasiya Sycheva

22 JANOARY 2021
ROSIA

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Anabavy Anastasiya Sycheva Satria Nandray Anjara Tamin’ny Fivoriana

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Anabavy Anastasiya Sycheva Satria Nandray Anjara Tamin’ny Fivoriana

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Obluchenskiy, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ny Anabavy Anastasiya Sycheva, tamin’ny 21 Janoary 2021. Nomena sazy mihantona roa taona izy, ary tsy migadra izy mandritra an’izay fotoana izay.

Ilay voampanga

Anastasiya Sycheva

  • Teraka: 1977 (Teploozyorsk, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Dimy mianadahy ry zareo, fa efa maty ny roa. Nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite fianarana ho mpitsabo mpanampy. Niara-niasa tamin’ny mpitsabo nify, dia avy eo niasa tao amin’ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina. Rehefa maty ny zokiny vavimatoa dia izy no nanaiky hikarakara ny zanak’ilay zokiny. Nanan-janaka kely roa mantsy io zokiny vavy io. Nikarakara ny mamany efa narary ela be koa izy mandra-pahafatin’io mamany io

    Vao folo taona mahery izy dia nieritreritra hoe fohy kely ny fiainana. Izay no nahatonga azy nianatra Baiboly, dia tena nahita valiny nahafa-po. Natao batisa izy tamin’ny 1994, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampidirin’ny manam-pahefana rosianina tao amin’ny lisitry ny olona “mahery fihetsika” i Anastasiya, tamin’ny Oktobra 2019. Nampangain’ny Sampan-draharaha Mpanao Fanadihadiana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena, any Rosia, hoe mpanao heloka bevava i Anastasiya, tamin’ny 25 Septambra 2019. Voaheloka izy satria hoe nanao fanahy iniana nanohy ny asa fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-toerana, izany hoe nandray anjara tamin’ny fivoriana sy niresaka ny zavatra inoany tamin’ny olon-kafa.

Efa noraisin’ny mpampanoa lalàna feo sy video ny resaka nataon’i Anastasiya rehefa mitelefaonina sy rehefa nivory, dia nalefany izany nandritra ny fitsarana azy. Nilaza ilay mpampanoa lalàna fa ireo zavatra noraisim-peo ireo no porofo hoe nandray anjara amin’ny asa “mahery fihetsika” ilay anabavintsika. Nohararaotin’i Anastasiya hitoriana ilay lazain-dry zareo hoe porofo. Nohazavainy fa ampianarina hangoraka, hamindra fo, hanam-paharetana, ary hanana toetra tsara hafa ny olona any amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Rehefa namarana ny teniny tao amin’ilay fitsarana i Anastasiya, dia afaka nanazava hoe tena nisy vokany tsara be taminy ny Baiboly. Izao no anisan’ny noteneniny: “Tsaraina aho androany noho ny finoako, dia satria koa mbola manohy manao ny fanaon’ny fivavahako, izany hoe mamaky Baiboly, mivory miaraka amin’ny namako mba handinika ny Soratra Masina, mihira fiderana ho an’i Jehovah, ary mivavaka aminy.

“Izaho ve izany dia tsy hiraharaha an’ilay didy ao amin’ny Hebreo toko faha-​10, andininy 24 sy 25? Izao no voalaza ao: ‘Andao koa isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, hoatran’ny sasany efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa. Vao mainka tokony hanao an’izany isika, satria hitanareo fa mihamanakaiky ilay andro.’ I Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, mihitsy no miteny amiko hoe mila mivory miaraka amin’ny namako aho, izany hoe ny mpiray finoana amiko, dia miara-mamaky Baiboly amin-dry zareo, miezaka ho tsara fanahy amin’ny hafa, dia izaho ve izany dia tsy hankatò azy? Tena tiako be mihitsy anefa izy, sady hajaiko, ary ivavahako.”

Faly be isika maheno an’izany tenin’i Anastasiya izany. Tena sahy niaro ny finoany izy sady be herim-po sy natoky an’izay nolazainy. Mivavaka isika mba ho falifaly foana izy. Mivavaka koa isika mba ho vao mainka hanampy azy hiaritra izao fitsapana ny finoany izao, na dia mbola mitohy aza izany.​—Jakoba 1:2, 3.