Hijery ny anatiny

14 FEBROARY 2020
ROSIA

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy sy Ranabavy Popov ka Nampandoaviny Sazy

Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy sy Ranabavy Popov ka Nampandoaviny Sazy

Nomelohin’ny fitsarana ao Vilyuchinsk ny Rahalahy Mikhail Popov sy ny vadiny, Ranabavy Yelena Popova tamin’ny 14 Febroary 2020. Asain’ilay fitsarana handoa sazy 350 000 roubles (5 508 dolara amerikanina) sy 300 000 roubles (4 722 dolara amerikanina) izy mivady fa tsy nogadrainy. Samy hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy mivady.

Tamin’ny Jolay 2018 i Mikhail sy Yelena no nosamborina. Nafahana izy ireo, tsy ela taorian’izay mba hiandry ny fitsarana azy.

Efa 28 izay ny Vavolombelon’i Jehovah nomelohin’ny fitsarana rosianina noho ny finoany, hatramin’ny 2019. Nomelohina tato anatin’ny roa volana ny folo amin’izy ireo. Tsy any am-pigadrana anefa izy folo ireo izao.