Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Golik eo ivelan’ny tribonaly, tamin’ny Desambra 2020

21 JANOARY 2021
ROSIA

Nomena Sazy Mihantona ny Rahalahy Yevgeniy Golik

Nomena Sazy Mihantona ny Rahalahy Yevgeniy Golik

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, ny Rahalahy Yevgeniy Golik, tamin’ny 20 Janoary 2021, ary nomeny sazy mihantona roa taona sy tapany. Tsy voatery miditra am-ponja aloha izy izao. Hampakariny any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny raharaha.

Ilay voampanga

Yevgeniy Golik

  • Teraka: 1975 (Birobidzhan, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)

  • Mombamomba azy: Mpanao sodira. Mikarakara fitaovana famanana trano no tena ataony. Miaramila tao amin’ny tafika rosianina izy tamin’izy mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah

    Ny reniny no nahalalany ny fahamarinana. Voavaly ny fanontaniany momba ny antony namoronana antsika. Lasa be fiahiana kokoa izy rehefa nianatra Baiboly

Mombamomba an’ilay raharaha

Any amin’ny faritra atsinanan’i Rosia no misy an’i Birobidzhan. Tamin’ny 17 Mey 2018 dia nisy polisy 150 avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) nanao bemidina vao maraina tany amin’ny trano 22 an’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io tanàna io. Nantsoina hoe “Andro Fitsarana” io bemidina nataon’ny FSB io. Nampangain’ny manam-pahefana teo an-toerana ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Yevgeniy Golik sy ny rahalahy sy anabavy 21 hafa ao amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy. Nanomboka tamin’ny 29 Janoary 2020 ny fitsarana azy.

Anisan’ny porofo naroson’ireo mpiampanga ny video ahitana ny Rahalahy Yevgeniy mianatra Baiboly sy boky ara-baiboly samihafa.

Tena mafy ny iharan’ny tsy rariny hoatr’izany. Izao anefa no nolazain’i Yevgeniy: “Rehefa mianatra Baiboly sy mivavaka foana aho dia mifantoka kokoa amin’i Jehovah fa tsy amin’ny tenako. Faly koa aho rehefa misaintsaina hevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia vao mainka te hiresaka an’ilay izy amin’ny olon-kafa.”

Nahasoa an’i Yevgeniy ny nisaintsaina ny Salamo 23:4. Hoy izy: “Manampy ahy ho be herim-po [io andinin-teny io] dia lasa vitako ny miaritra sady faly. Na rahonana ho faty aza isika dia fantatsika hoe eo foana i Jehovah miaraka amintsika.”

Nanohana an’i Yevgeniy foana koa ny mpiara-mivavaka aminy. Hoy izy: “Tonga teny amin’ny tribonaly ireo rahalahy sy anabavy rehefa nanomboka ilay fitsarana, dia nampahery be ahy ny nahita an-dry zareo. Manampy be ahy koa ny vadiko amin’izao fotoan-tsarotra izao. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy. Falifaly foana aho. Misy hevitra mampahery be dia be avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy ato an-tsaiko, ampy sakafo tsara koa aho, sady be mpanohana.”

Tapa-kevitra i Yevgeniy hoe hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Izao no ampirisihiny ho an’izay mbola tsy tratran’ny fanenjehana: “Ianaro ny [hiran’ilay Fanjakana], ampiofano ho tia ny fahavalonao ny fonao, dia mianara ho faly foana manompo an’i Jehovah na inona na inona zavatra atrehinao.”

Enga anie isika handray fianarana sarobidy foana avy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia! Hanome hery antsika koa i Jehovah, hoatran’ny nanomezany hery an-dry zareo rehefa miatrika fitsapana.​—Salamo 29:11.