21 MEY 2024
ROSIA
“Nomen’i Jehovah Voninahitra Lehibe Aho hoe Hiaro ny Anarany”
Tsy ho ela ny Fitsaran’i Biysk, any amin’ny Faritanin’i Altaï, dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Sergey Lukin. Tsy mbola nilaza ny sazy homena azy ny mpampanoa lalàna.
Ilay voampanga
Tena modely tsara ho antsika i Sergey, ary mampahatsiahy antsika ny zavatra niainany hoe “mandroaka tahotra” ny fitiavantsika an’i Jehovah.—1 Jaona 4:18.
Zava-nitranga
1 Desambra 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
25 Janoary 2023
Nosavana ny tranony sy ny biraony. Natao famotorana ary tsy nahazo nanao dia lavitra
25 Janoary 2024
Nanomboka ny fitsarana azy