Hijery ny anatiny

25 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Nomen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona Roa Taona ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy ny Vadiny ary ny Anabavy Iray 73 Taona

Nomen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona Roa Taona ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy ny Vadiny ary ny Anabavy Iray 73 Taona

Namoaka didy momba ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy Snezhana vadiny ary ny Ranabavy Vera Zolotova ny Fitsaram-paritr’i Yelizovsky any Kamtchatka. Nangataka ny fampanoavana hoe hampandoavina lamandy 600 000 roubles (7 850 dolara amerikanina) ry Bazhenov mivady ary 400 000 roubles (5 195 dolara amerikanina) ny Ranabavy Zolotova. Sazy mihantona roa taona anefa no azon’izy ireo, miampy fameperana hafa enim-bolana. Faly izy telo hoe tsy migadra sady tsy mandoa lamandy.