Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Shcherbina

6 APRILY 2021
ROSIA

Nosazin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Telo Taona ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina

Nosazin’ny Fitsarana Rosianina Higadra Telo Taona ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina

VAOVAO FARANY | Nahenan’ny Fitsarana ny Sazin’ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina

Namoaka didy momba ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina ny fitsarana ao amin’ny Faritanin’i Krasnodar, tamin’ny 24 Jona 2021. Mbola nohamafisiny ihany ilay hoe meloka i Aleksandr, saingy ilay saziny telo taona an-tranomaizina no nahenany ho roa taona.

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinski any amin’ny Faritanin’i Krasnodar ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina, tamin’ny 6 Aprily 2021. Voasazy higadra telo taona izy, ary tonga dia naiditra am-ponja raha vao niala teo amin’ny fitsarana. Hampakatra fitsarana i Aleksandr.

Ilay voampanga

Aleksandr Shcherbina

  • Teraka: 1976 (Kholmskaya, Faritanin’i Krasnodar)

  • Mombamomba azy: Efa maty ny ray aman-dreniny. Asa efa nataony: Saoferana kamiao, mpanamboatra fiara simba, ary mpandrafitra

  • Tia milalao baskety sy baolina kitra, tamin’ny mbola kely. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izy 20 taona teo ho eo. Resy lahatra hoe Tenin’Andriamanitra ny Baiboly rehefa hitany hoe tanteraka ny faminaniana ao. Natao batisa tamin’ny 1999

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisava ny tranon’ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina ny polisy any amin’ny Faritanin’i Krasnodar, tamin’ny Aprily sy Desambra 2020. Natao famotorana i Aleksandr tamin’ireo fisavana roa ireo, ary nalaina an-keriny ny Baiboliny sy ny fitaovana elektronikany.

Tamin’ny 17 Martsa 2021 i Aleksandr no niakatra fitsarana voalohany tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Abinski. Natao maimaika be ny fitsarana azy, hoatran’ny natao tamin’ireo rahalahy hafa notsaraina tao ihany.

Tsy natahotahotra i Aleksandr niteny teo anatrehan’ny mpitsara hoe: “Raha ny marina, dia noho izaho mino an’Andriamanitra sy mbola anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah no antony iampangana ahy, izany hoe noho izaho mampihatra an’ilay zoko voalazan’ny andininy faha-28 amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia. Avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoako, ka noho izany dia mifanohitra tanteraka amin’izay antsoina hoe mampidi-doza.”

Misaotra an’i Jehovah isika satria mbola be herim-po sy manam-pinoana foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia ka modely ho antsika. Matoky koa isika hoe hahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah izy ireo satria miaritra manao ny sitrapony.​—Hebreo 10:36.