Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Yevgeniy Sokolov

15 JOLAY 2024
ROSIA

Notsaraina sy Nomelohina ny Rahalahy Yevgeniy Sokolov Rehefa Nampangaina Fanindroany ho Mpanao Heloka Bevava

Notsaraina sy Nomelohina ny Rahalahy Yevgeniy Sokolov Rehefa Nampangaina Fanindroany ho Mpanao Heloka Bevava

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zeyskiy any amin’ny Faritanin’i Amour ny Rahalahy Yevgeniy Sokolov, tamin’ny 29 Mey 2024. Nahazo sazy mihantona telo taona izy. Mbola tsy migadra izy izao.

Fanindroany tamin’io izao i Yevgeniy no nampangaina ho mpanao heloka bevava. Mbola mitohy any amin’ny tanànan’i Voronej ilay fiampangana azy voalohany, miaraka amin’ny rahalahy sivy. Any i Yevgeniy no mipetraka.

Niresaka ny zavatra nanampy azy hiaritra i Yevgeniy. Hoy izy: “Nianatra ny hatoky sy hiantehitra kokoa amin’i Jehovah aho. Izy no tena mahay mamaha ny olana atrehintsika. Ny fomba fanaovany zavatra no tena tsara indrindra sy mety indrindra.”

Enga anie isika hanahaka an’i Yevgeniy ka hiteny amin’i Jehovah hoe “ianao no fialofako”, sady hatoky hoe hanampy antsika foana izy.​—Salamo 142:5.

Zava-nitranga

  1. 15 Desambra 2022

    Nampangaina fanindroany ho mpanao heloka bevava i Yevgeniy, nefa tsy nampahafantarina azy akory izany

  2. 22 Septambra 2023

    Fantatr’i Yevgeniy hoe nampangaina fanindroany ho mpanao heloka bevava izy. Nalaina am-bavany sy nampangaina izy satria hoe “manomana sy mitarika fivoriana ara-pivavahana”

  3. 22 Aprily 2024

    Nanomboka ny fitsarana azy

  4. 29 Mey 2024

    Nomelohina sady nomena sazy mihantona telo taona