Hijery ny anatiny

1 MARTSA 2019
ROSIA

Novalian’ny CEDH avy Hatrany ny Fitarainana Momba ny Rahalahy Nampijalina any Rosia

Novalian’ny CEDH avy Hatrany ny Fitarainana Momba ny Rahalahy Nampijalina any Rosia

Nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) ny mpisolovavan’ny Rahalahy Sergey Loginov, tamin’ny 25 Febroary 2019. Nangataka izy mba hanao zavatra haingana ny CEDH ho fiarovana ny rahalahintsika. Anisan’ireo rahalahy fito nampijalin’ny manam-pahefana tany Sourgout, any andrefan’i Siberia, ny Rahalahy Sergey Loginov. Nafahana ny enina tamin’ireo rahalahy nampijalina saingy tanana am-ponja vonjimaika kosa ny Rahalahy Loginov nanomboka tamin’ny fotoana nisamborana azy sady tsy avela hahazo fitsaboana tamin’ny ratra nahazo azy.

Namoaka didy nanome rariny an’io rahalahy io ny CEDH ny 26 Febroary, izany hoe iray andro monja taorian’ny nandefasana an’ilay fitarainana. Nandidy an’i Rosia ilay Fitsarana hoe tokony hatao “haingana” izay hijeren’ny ekipana dokotera tsy miankina amin’ny fanjakana ny Rahalahy Sergey Loginov mba hamantarana ny “fahavoazana ara-batana sy ara-tsaina” nahazo azy. Tokony hofantarina koa raha mbola azo tanana am-ponja izy, rehefa jerena ny fahasalamany. Manana hatramin’ny 11 Martsa 2019 ny fitondram-panjakana rosianina mba hampiharana an’io didy io.

Maningana ihany ny CEDH vao manaiky fangatahana toy izany, ohatra hoe rehefa misy olona mijaly ary atahorana hitondra takaitra ilay olona raha tsy misy fepetra raisina haingana. Mampahery àry ny didy navoakan’ny CEDH sy ny hoe iray andro monja taorian’ilay fangatahana no namoahany azy. Nilaza koa izy ireo fa hanara-maso akaiky ny tsy rariny atao amin’ireo rahalahintsika.

Vavolombelon’i Jehovah 19 izao no ampangaina ho mpanao heloka bevava any Sourgout, ary tanana am-ponja vonjimaika ny 3 amin’ireo.

Mitalaho amin’i Jehovah ho an’ny rahalahintsika foana isika sady manao an-tsaina an’ilay tenin’i Jeremia hoe: “Hotahina ... izay olona matoky an’i Jehovah sy mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah.”—Jeremia 17:7.