Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Sergey Klimov, ao anaty efitra kely ao amin’ny tribonaly, tamin’ny Mey 2019

11 NOVAMBRA 2019
ROSIA

Ny Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy Klimov no Mafy Indrindra Hatramin’ny Nandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ny Didim-pitsarana Momba ny Rahalahy Klimov no Mafy Indrindra Hatramin’ny Nandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Nanameloka ny Rahalahy Sergey Klimov higadra enin-taona ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrsky any Tomsk, tamin’ny 5 Novambra 2019. I Dennis Christensen irery no rahalahy efa nomelohina higadra ela be hoatr’izany, any Rosia. Mbola nanisy fameperana maro isan-karazany ho an’ny Rahalahy Klimov anefa ny fitsarana, ka ny saziny no mafy indrindra, hatramin’ilay fandrarana nataon’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017.

Tamin’ny 3 Jona 2018 ny Rahalahy Klimov no nosamborina, rehefa avy nanao bemidina tao amin’ny trano roa an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy sy miaramila. Rahalahy sy anabavy 30 teo ho eo no nalaina am-bavany, tamin’izay, ary anisan’izany ny anabavy iray efa 83 taona. Nafahana daholo izy ireo avy eo, afa-tsy ny Rahalahy Klimov. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy ary nisy didy nivoaka hoe tanana am-ponja vonjimaika roa volana izy. Nohalavaina impito ny fotoana nijanonany tany. Efa nijanona tany am-ponja herintaona sy dimy volana àry izy, talohan’izao nanamelohana azy higadra enin-taona izao. Tsy mba afaka niaraka tamin’ny vady aman-janany izy nandritra an’izany fotoana rehetra izany.

Hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny mpisolovavan’ny Rahalahy Klimov. Nalefa tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona koa ilay fitarainana Klimov miady amin’i Rosia, tamin’ny 20 Aogositra 2018, momba ny nitanana azy am-ponja vonjimaika.

Nihabetsaka ny bemidina sy ny fisamborana ary ny fanagadrana ny rahalahintsika any Rosia, tamin’ity 2019 ity. Tsy mivadika anefa izy ireo fa be herim-po. Mampahery antsika ny mahita hoe tena tahin’i Jehovah izy ireo satria mitoky tanteraka aminy.—Salamo 56:1-5, 9.