Hijery ny anatiny

10 FEBROARY 2021
ROSIA

Ny Sazy Henjana Indrindra Taorian’ilay Fandrarana Tamin’ny 2017: Voaheloka Higadra Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin

Ny Sazy Henjana Indrindra Taorian’ilay Fandrarana Tamin’ny 2017: Voaheloka Higadra Fito Taona sy Tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinskiy any Krasnodar, any Rosia, higadra fito taona sy tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin, 63 taona, tamin’ny 10 Febroary 2021. Izany no sazy henjana indrindra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ilay fandrarana tamin’ny 2017.

Efa hatramin’ny 23 Aprily 2020 ny Rahalahy Ivshin no nampangaina ho mpanao heloka bevava. Inona no “heloka bevava” nataony? Nandamina fotoam-pivavahana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence izy dia nihira ny hiran’ilay Fanjakana. Nohazavainy tsara hoe miorina amin’ny Baiboly ny zavatra inoany, rehefa niteny farany teo anatrehan’ny fitsarana izy. Izao no nolazainy: “Ry mpitsara hajaina, ny torolalan’ny Baiboly ihany no arahiko eo amin’ny fiainako, ary tsy misy zavatra mampidi-doza na fankahalana mihitsy amin’izany torolalana izany.”