22 MEY 2023
ROSIA
“Ny Tahotra Aloha Tsy Maintsy Misy, fa Afaka ny ho Be Herim-po Ianao”
Namoaka didim-pitsarana momba ny Ranabavy Nataliya Voropaeva ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhny, any Krasnoïarsk, tamin’ny 24 Martsa 2023. Tsy maintsy mandoa onitra 360 000 roubles (21 384 330 ariary) izy.
Ilay voampanga
“Ho be herim-po” hoatran’i Nataliya foana koa isika, ka hilaza hoe: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”—Hebreo 13:6.
Zava-nitranga
Novambra 2017–Novambra 2020
Narahin’ny polisy maso, dia nosavana ny tranony. Nalaina am-bavany nandritra ny famotorana momba ny Rahalahy Andrey Stupnikov
5 Septambra 2022
Nanomboka ny famotopotorana momba azy
6 Septambra 2022
Tsy navela nanao dia lavitra
20 Oktobra 2022
Nampangaina hoe nanao heloka bevava
27 Febroary 2023
Nanomboka notsaraina
24 Martsa 2023
Nasaina nandoa onitra 360 000 roubles (21 384 330 ariary)