Hijery ny anatiny

8 MARTSA 2021
ROSIA

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona Enin-taona ny Rahalahy Sergey Verkhoturov

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona Enin-taona ny Rahalahy Sergey Verkhoturov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Priokskiy any Nijni Novgorod ny Rahalahy Sergey Verkhoturov, tamin’ny 5 Martsa 2021. Nomena sazy mihantona enin-taona izy. Tsy mila mankany am-ponja aloha izy amin’izao. Hampakarin’i Sergey any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny raharaha.