24 NOVAMBRA 2020
ROSIA
Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona Roa Taona ny Rahalahy Sergey Ledenyov
Nomelohin’ny Fitsaran’i Petropavlovsk-Kamtchatski any Kamtchatka ny Rahalahy Sergey Ledenyov tamin’ny 24 Novambra 2020. Nomena sazy mihantona roa taona izy ary arahi-maso telo taona. Tsy ampidirina am-ponja aloha izy izao.
Nohazavain’i Sergey mazava tsara, tamin’ny andro farany niakarany fitsarana, hoe inona no dikan’ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Tsy anarana fitambaran’olona na fikambanana na finoana ny hoe Jehovah fa anaran’Andriamanitra. Antsoin’i Jehovah hoe ‘vavolombeloko’ ny mpanompony tsy mivadika, ao amin’ny Baiboly, ao amin’ny bokin’i Isaia mpaminany. Miorina amin’ireo teniny ireo, dia noraisinay ilay anarana hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’, tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 1931. Hita amin’io anarana io hoe mila mijoro ho vavolombelona hiaro an’i Jehovah izahay, izany hoe miresaka amin’ny olona hoe Mpamorona izy, Mpamonjy, ary Mpanjakan’izao rehetra izao. Mila miresaka momba ny fikasany ho an’ny olombelona koa izahay. Tombontsoa be izany, ho ahy sy ny mpiara-mivavaka amiko.”—Isaia 43:10.
Feno toky i Sergey nilaza teo anatrehan’ny fitsarana hoe: “Tsy menatra mihitsy aho satria tsy nanao heloka bevava, na inona na inona. Madio ny feon’ny fieritreretako na eo anatrehan’Andriamanitra na eo anatrehan’ny olona.”