Hijery ny anatiny

3 FEBROARY 2021
ROSIA

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy

Nanameloka an’i Artur Lokhvitskiy, 35 taona, ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, tamin’ny 2 Febroary 2021. Nomeny sazy mihantona roa taona sy enim-bolana, miampy fanaraha-maso telo taona, izy. Tsy mila mankany am-ponja aloha izy izao.

Hoy i Artur, tamin’ny famaranan-teniny teo anatrehan’ny fitsarana: “Raisiko ho tombontsoa be ny niakatra fitsarana tamin’ity raharaha ity, na inona na inona ho vokany. Hitako indray mantsy hoe tanteraka ny tenin’i Jesosy Kristy. Nilaza izy ao amin’ny bokin’i Marka toko faha-⁠13, andininy faha-⁠9 sy faha-⁠10 hoe: ‘Mitandrema kosa ianareo, fa hanolotra anareo amin’ny fitsarana eo an-toerana ny olona. ... Ho afaka hitory aminy ianareo noho izany. Ankoatra izany, dia tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.’ ... Izany no mandrisika ahy hiresaka momba ny fikasan’Andriamanitra amin’ny olona. Tombontsoa be ho ahy ny miresaka an’izany aminao, ry Mpitsara hajaina.”