22 DESAMBRA 2020
ROSIA
Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona ny Rahalahy Semyon Baybak
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don ny Rahalahy Semyon Baybak tamin’ny 21 Desambra 2020, ary nomeny sazy mihantona telo taona sy tapany. Tsy voatery higadra aloha izy izao.
Nanonona ny tenin’ny olo-malaza rosianina iray mpiaro ny zon’olombelona i Semyon, andro vitsivitsy lasa izay, tamin’ny teniny farany teo anatrehan’ny fitsarana. Izao no tenin’io olo-malaza io: “Enjehina izy ireo [ny Vavolombelon’i Jehovah] nefa mitsikitsiky.” Hoy i Semyon avy eo: “Marina izany. Tsy tezitra aho izao sady tsy mankahala olona.” Novakiny koa ny 2 Korintianina 4:8, 9, ary nampihariny tamin’ny tenany sy ny Vavolombelona any Rosia. Izao no voalaza ao: “Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy. Enjehina izahay, nefa tsy afoy. Azera izahay, nefa tsy maty.”