Hijery ny anatiny

26 JANOARY 2021
ROSIA

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona ny Ranabavy Galina Parkova

Omen’ny Fitsarana Rosianina Sazy Mihantona ny Ranabavy Galina Parkova

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don ny Ranabavy Galina Parkova tamin’ny 26 Janoary 2021 ary nomeny sazy mihantona roa taona sy telo volana. Tsy mila mankany am-ponja aloha izy izao.

Izao no nolazain’io anabavy io, tamin’izy niteny farany teo anatrehan’ny fitsarana: “Manam-pinoana aho dia fantatro tsara hoe avy aiza daholo ny olana mahazo ahy. Efa nolazain’i Jesosy Kristy Tompoko ny antony. Hoy i Jesosy ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona toko faha-⁠15, andininy faha-⁠20: ‘Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.’

I Jesosy aza nanasitrana ny marary sy nanome sakafo olona ary niresaka momba ny Rainy sy ilay Fanjakana amin’ny hoavy nefa natao an’izany, dia tsy maintsy manampo koa ny mpanara-dia azy hoe henjehina. Vao mainka aho matoky hoe mety ny ataoko matoa aho enjehina noho ny finoako!”