Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Maksim Beltikov

24 SEPTAMBRA 2021
ROSIA

Raha Tsy Zatra Nanao Zavatra Ara-panahy ny Rahalahy Maksim Beltikov Tsy ho Nanana Hery Hiaretana

Raha Tsy Zatra Nanao Zavatra Ara-panahy ny Rahalahy Maksim Beltikov Tsy ho Nanana Hery Hiaretana

VAOVAO FARANY | Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Maksim Beltikov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pavlovskiy, any amin’ny Faritanin’i Krasnodar ny Rahalahy Maksim Beltikov tamin’ny 17 Janoary 2022. Voaheloka higadra roa taona ilay rahalahy, ary tonga dia mihatra ilay sazy.

Zava-nitranga

  1. 29 Jona 2020

    Nivoaka ny didy hoe tsy mahazo mivoaka an’ilay faritra izy

  2. 23 Jona 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy. Izao ilay fiampangana: “Nandray anjara tamin’ny fampianarana fivavahana”, ka anisan’izany ny “nandaha-teny sy nihaino lahateny miorina amin’ny boky ara-pivavahana”

  3. 29 Aprily 2020

    Nataon’ny manam-pahefana savahao ny tranon-dry Maksim. Natao famotorana izy avy eo

Ilay voampanga

Enga anie mba hiorina mafy sy hatanjaka tsara foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Zatra manao zavatra ara-panahy foana mantsy izy ireo, dia ny mpiara-manompo koa tena tia sy miahy azy ireo. Fantatsika fa hanohana azy ireo foana “ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana.”​—2 Korintianina 13:11.