Hijery ny anatiny

Ambony, avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksey Bogatov sy Yevgeniy Fomashin ary Vladimir Mavrin

Ambany, avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Andrey Murych sy Sergey Tyurin

29 NOVAMBRA 2023
ROSIA

Rahalahy Dimy Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina any Amin’ny Faritr’i Saratov

Rahalahy Dimy Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina any Amin’ny Faritr’i Saratov

Tamin’ny 23  Novambra 2023 ny Fitsaram-paritr’i Balakovskiy any amin’ny faritr’i Saratov no namoaka didy momba ny Rahalahy Aleksey Bogatov, Yevgeniy Fomashin, Vladimir Mavrin, Andrey Murych, ary Sergey Tyurin. Samy voaheloka izy dimy mirahalahy. Sazy mihantona enin-taona avy no azon’i Aleksey sy Vladimir. Nampandoavina lamandy mitentina 300 000 roubles (3 362 dolara amerikanina) avy kosa i Andrey sy Sergey ary Yevgeniy. Mbola tsy misy migadra aloha ireo rahalahy ireo amin’izao.

Ireo voampanga

Mampahatsiahy antsika ny ohatr’ireo rahalahy dimy manam-pinoana ireo hoe ho vitantsika ny hiaritra fahoriana noho ny vaovao tsara rehefa miantehitra amin’ny herin’Andriamanitra isika.​—2 Timoty 1:8.

Zava-nitranga

  1. 11 Febroary 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 23 Martsa 2022

    Nanao bemidina tany amin’ny tranon’ireo rahalahy dimy ny polisin’ny FSB. Samy natao famotorana dia avy eo notanana am-ponja vonjimaika

  3. 25 Martsa 2022

    Nafindra fonja ireo rahalahy, dia any no miandry ny fitsarana azy

  4. 23 Janoary 2023

    Nafahana avy tany am-ponja ary tsy navela hivoaka ny faritra misy azy

  5. 21 Jolay 2023

    Nanomboka ny fitsarana

  6. 23 Novambra 2023

    Voaheloka