Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Vladimir Khokhlov, Ranabavy Tatyana Shamsheva sy Olga Silaeva, ary Rahalahy Eduard Zhinzhikov

3 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Rahalahy Roa sy Anabavy Roa Voaheloka Higadra Noho ny Finoany

Rahalahy Roa sy Anabavy Roa Voaheloka Higadra Noho ny Finoany

Datin’ny didim-pitsarana

Namoaka didy ny Fitsaran’i Novozybkov, any Bryansk, tamin’ny 3 Septambra 2020, fa voaheloka higadra ny Rahalahy Vladimir Khokhlov, ny Ranabavy Tatyana Shamsheva sy Olga Silaeva ary ny Rahalahy Eduard Zhinzhikov. Maharitra herintaona ka hatramin’ny herintaona sy telo volana ny sazin’izy ireo. Na izany aza anefa, dia nafahana izy ireo satria efa nahavita an’io sazy io tany am-ponja, talohan’ny nitsarana azy ireo.

Ireo voampanga

Vladimir Khokhlov

  • Teraka: 1977 (Tany Novozybkov, any Bryansk)

  • Mombamomba azy: Mpanamboatra aotomobilina simba. Efa miaramila tamin’izy mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah. Tia manao baolina, mamaky boky, manjono, ary mitendry gitara

  • Nisy namany anankiray nampirisika azy hianatra Baiboly. Nanambady an’i Olga izy tamin’ny 2007. Manan-janaka vavy anankiray atao hoe Anastasia ry zareo. Samy manompo an’i Jehovah daholo izy mianakavy

Tatyana Shamsheva

  • Teraka: 1977 (Tany Cherepovets, any Vologda)

  • Mombamomba azy: Manam-pahaizana momba ny ekonomia. Efa nampianatra ekonomia, lalàna, ary kaonty, nandritra ny taona maro. Natao batisa tamin’ny 1995. Tena tiany ny mampiseho torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly amin’ny olona

Olga Silaeva

  • Teraka: 1988 (Tany Davydovo, any Moscou)

  • Mombamomba azy: Telo ry zareo no iray tam-po, ary izy no farany. Nahazo diplaomana injeniera, tany amin’ny sekoly fianarana teknika. Tia manao zaitra tanana sy karazana peta-kofehy ary zavatra vita amin’ny ba. Tia mamaky boky sy manao voley. Nianatra Baiboly ny mamany, dia lasa nianatra koa izy, ary tena tiany ny zavatra nianarany

Eduard Zhinzhikov

  • Teraka: 1971 (Tany Zadnya, any Bryansk)

  • Mombamomba azy: Efa mpanao sodiora sy mpanadio trano. Efa nampiasa azy koa ny tao amin’ny polisy. Tao amin’ny tarika mpihira iray taloha. Nanambady an’i Tatyana, tamin’ny 1993, ary tao amin’ilay tarika nisy azy ihany i Tatyana. Tia manoratra tononkalo sy mitendry gitara

  • Nanomboka nianatra Baiboly taloha kelin’ny taona 2000, ary voavaly daholo ny ankamaroan’ny fanontaniana nanahiran-tsaina azy. Nahavita niala tamin’ny fahazaran-dratsiny izy, vokatr’izany, sady lasa sambatra kokoa ny fianakaviany. Gaga i Tatyana nahita azy niova. Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa izy tatỳ aoriana.

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano miisa 22 an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana tany Bryansk, any Rosia, tamin’ny 11 Jona 2019. Nosamborina ny Ranabavy Tatyana Shamsheva sy Olga Silaeva. Efa samy nigadra nandritra ny valo volana mahery avy izy ireo, talohan’ny nitsarana azy. Nafahana izy ireo, tamin’ny Mey 2020, dia afaka nody soa aman-tsara tany an-tranony, mandra-pahatongan’ny fotoana hitsarana azy ireo.

Nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava ny Rahalahy Vladimir Khokhlov sy Eduard Zhinzhikov, tamin’ny 16 Oktobra 2019. Nakambana tamin’ny raharaha niampangana ny Ranabavy Tatyana Shamsheva sy Olga Silaeva ny fiampangana azy ireo tatỳ aoriana. Naiditra am-ponja vonjimaika ireo rahalahy ireo, fito andro tatỳ aoriana, ary mbola tavela any hatramin’izao.

Nadinadinina tao amin’ilay video hoe Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2020) #5 ny Ranabavy Tatyana Shamsheva sy Olga Silaeva. Nilaza ny Ranabavy Silaeva fa rehefa avy nigadra nandritra ny valo volana izy, dia vao mainka resy lahatra hoe ‘na mafy hoatran’ny inona aza ny olana atrehinao, dia omen’i Jehovah fanahy masina ianao, dia vitanao ny miatrika an’ilay izy.’ Niaiky koa ny Ranabavy Shamsheva hoe: ‘Eo akaikintsika eo foana i Jehovah. Eo foana izy hanohana antsika sy hampahery antsika ary hanampy antsika.’

Matoky isika fa hanampy an’ireo rahalahy sy anabavintsika migadra sy izay mbola mety hogadraina any Rosia foana i Jehovah, dia hahavita hiaritra izy ireo, sady ho faly sy hilamin-tsaina foana.—1 Korintianina 10:13.