2 APRILY 2021
ROSIA
Raran’i Rosia ny Programa JW Library
Nambaran’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrskiy any Saint-Pétersbourg, tamin’ny 31 Martsa 2021, hoe mampidi-doza ny programa ’’JW Library’’ ka voarara ny fampiasana azy manerana ny Federasionin’i Rosia sy Crimée. Mihatra eo no ho eo io fandrarana io. Efa sahirana sahady izao ny olona te hampiasa an’io programa io. Hampakarina any amin’ny fitsarana ambony kokoa io raharaha io.