Hijery ny anatiny

8 APRILY 2021
ROSIA

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Rahalahy Artur Lokhvitskiy

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fangatahana fampakarana fitsarana ambony nataon’ny Rahalahy Lokhvitskiy, tamin’ny 8 Aprily 2021. Hampiharina amin’izay izao ilay sazy mihantona roa taona sy tapany nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy mila miditra am-ponja aloha izy izao.