Hijery ny anatiny

25 MEY 2021
ROSIA

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy ny Ranabavy Valentina Baranovskaya Reniny

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy ny Ranabavy Valentina Baranovskaya Reniny

Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Khakassie, any Rosia, tamin’ny 24 Mey 2021, ny fangatahana fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Baranovskiy sy ny reniny, Ranabavy Valentina Baranovskaya, 70 taona. Mijanona any am-ponja àry izy mianaka. Nampian’ny fitsarana koa ny sazin’izy ireo. Niampy ny fameperana hapetraka amin’izy mianaka rehefa avy manefa ny saziny any am-ponja izy ireo.