Hijery ny anatiny

12 MEY 2021
ROSIA

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Ranabavy Svetlana Monis

Resy Teny Amin’ny Fitsarana Ambony ny Ranabavy Svetlana Monis

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fangatahan’ny Ranabavy Monis, tamin’ny 12 Mey 2021. Neken’io fitsarana rosianina io kosa ny fangatahan’ilay mpampanoa lalàna hoe hovana ho sazy mihantona roa taona sy enim-bolana ilay sazy nomena an’i Svetlana tamin’ny voalohany, izany hoe ilay lamandy 10 000 roubles (135 dolara amerikanina). Tsy voatery hiditra am-ponja aloha izy izao.