Hijery ny anatiny

28 SEPTAMBRA 2021
ROSIA

Rosia: Nolavina ny Fangatahana Hanafoana An’ilay Didy Mandrara ny Programa JW Library

Rosia: Nolavina ny Fangatahana Hanafoana An’ilay Didy Mandrara ny Programa JW Library

Nisy didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 31 Martsa 2021 hoe programa mampidi-doza ny JW Library ka voarara ny fampiasana azy manerana ny Federasionan’i Rosia sy Crimée. Nalefa àry ny fangatahana tany amin’ny fitsarana ambony mba hanafoanana an’io didy io. Nolavin’ny fitsarana any Saint-Pétersbourg izany fangatahana izany, tamin’ny 27 Septambra 2021 lasa teo. Tonga dia nihatra teo no ho eo ilay didim-pitsarana navoaka tamin’ny 31 Martsa.