1 JOLAY 2020
ROSIA
Sakanan’ny Mpampanoa Lalàna Rosianina Tsy Hivoaka Mialoha ny Rahalahy Christensen
Napetraky ny tompon’andraikitry ny fonjan’i Lgov ao amin’ny efitra fanasaziana manokana (EPKT) ny Rahalahy Dennis Christensen tamin’ny 26 Jona 2020. Tsy ara-dalàna izany satria ny olo-meloka manana teti-dratsy no apetraka any. Hita hoe fanahy iniana ny namindrana azy tao mba hahakivy azy satria efa tsy dia salama izy. Mety hamorona zavatra hafa hiampangana ny Rahalahy Christensen ny biraon’ny mpampanoa lalàna mba hanakanana azy tsy hivoaka ny fonja, nefa izy ireo ihany no nanohana an’izany fanapahan-kevitry ny fitsarana izany, andro vitsivitsy lasa izay.
Manefa sazy enin-taona an-tranomaizina ny Rahalahy Christensen ary efa telo taona mahery izay izy no tany am-ponja. Efa herintaona mahery izay izy no mahafeno fepetra hahazo fahafahana mialoha. Intelo izy no nandefa fangatahana mba hafahana mialoha, nefa tsy noraharahaina foana izany. Noraisin’ny fitsarana ihany, tamin’ny farany, ny fangatahany fahefatra. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Lgov, tamin’ny 23 Jona 2020, hoe soloana lamandy ny fanefany ny ambin’ny saziny. Nanohana an’io fanalefahana sazy io Atoa Artem Kofanov, mpampanoa lalàna nanatrika an’ilay fitsarana.
Roa andro taorian’izay, dia nilaza Atoa Aleksei Shatunov, mpampanoa lalàna iray hafa, hoe tsy ara-dalàna ilay didim-pitsarana. Nangataka izy mba hofoanana ilay didy ary haverina ilay fitsarana fa mpitsara hafa no handinika an’ilay raharaha. Tatitra avy amin’ny fonjan’i Lgov no nanamboaran’Atoa Shatunov ny fangatahany. Voalazan’ilay tatitra mantsy hoe tsy mba olona mazoto miasa, hono, no ahalalana ny Rahalahy Christensen ary tsy nitondra tena tsara koa izy tao amin’ilay fonja.
Efa niezaka nanaratsy an’ny Rahalahy Christensen toy izany ihany ny solontenan’ny fonja, nandritra an’ilay fitsarana tamin’ny 23 Jona, nefa nilaza ilay mpitsara fa tsy manan-kery ireny fanaratsiana ireny. Nasehon’ny mpisolovavan’ny Rahalahy Christensen teo anatrehan’ny fitsarana ny anton-taratasy mikasika ny fahasalamany ka hita hoe tsy afaka manao asa vatana izy. Niaiky koa ny iray amin’ny solontenan’ny fonja hoe tsy misy asa azon’ny Rahalahy Christensen atao ao amin’ny fonja, noho ny toe-pahasalamany.
Rehefa nanomboka nangataka ny hanafoanana an’ilay didy mba hanafahana ny Rahalahy Christensen ny biraon’ny mpampanoa lalàna, dia namoaka tatitra roa nanaratsy azy ny tompon’andraikitry ny fonja. Voalaza tao amin’ilay tatitra voalohany hoe tao amin’ny efitra fisakafoanana izy tamin’ny fotoana tsy tokony ho nijanonany tao. Ilay faharoa indray nilaza hoe nandehandeha nanao tiserta izy nefa tokony ho nanao akanjo mafana. Napetraka tany amin’ny EPKT nandritra ny folo andro àry ny Rahalahy Christensen. Araka ny lalàna rosianina, dia tsy afaka manao an’izany ny tompon’andraikitra raha tsy hoe mandika fitsipika lehibe ao amin’ny fonja ilay gadra sady miverimberina ilay izy. Tokony hojeren’ny dokotera koa ny fahasalamany aorian’izay. Tsy nisy fitsipika lehibe nodikain’ny Rahalahy Christensen anefa sady tsy nisy dokotera nijery azy akory. Tena tsy tokony ho napetraka tany amin’ny EPKT mihitsy izy.
Telo metatra eo ho eo no lavan’ilay efitra figadrana misy ny Rahalahy Christensen ary roa metatra eo ho eo ny sakany. Roa lahy izy ireo no miaraka ao. Tsy ampy rivotra ilay efitra sady misy bobongolo. Vao mainka atahorana hankarary an’ny Rahalahy Christensen izany, satria efa tsy salama izy. Efa volana vitsivitsy izay izy no voan’ny pnemonia ary hita koa hoe tena marary ny tsokan-damosiny. Milaza ny mpisolovavany fa fantatry ny tompon’andraikitry ny fonja izany, nefa mbola nataon’izy ireo ihany izay hatoriany amin’ny fandriana mafy be ka mahatonga azy hanaintaina mafy.
Niteny tamin’ny mpisolovavany ny Rahalahy Christensen hoe tsy izy irery no gadra teo tamin’ilay fotoana nolazaina fa nandikany ny fitsipiky ny fonja, nefa izy irery no nalefa tany amin’ny EPKT. Nilaza àry ilay mpisolovava hoe: “Izany no mahatonga anay hieritreritra hoe natao daholo izany rehetra izany mba hanakanana ny fitsarana tsy hamoaka didy hanafaka an’i Dennis.”
Mitady hevitra hamelezana ny rahalahintsika foana ny manam-pahefana any Rosia ary mahita teti-dratsy hanaovana an’izany foana izy ireo. Matoky anefa isika hoe fiarovana azo antoka ho an’ny mpiara-manompo amintsika any i Jehovah. Enga anie isika tsy hitsahatra hivavaka ho an’ny Rahalahy Christensen sy Irina vadiny! Jehovah anie hanome izay ilain’izy mivady ka ho vitan’izy ireo ny tsy hivadika amin’izao fotoana tena sarotra izao!—Salamo 94:13, 21, 22.