Hijery ny anatiny

Ranabavy Anna Matveyeva

14 MEY 2024
ROSIA

“Tahin’i Jehovah Ianao Rehefa Mankatò Azy”

“Tahin’i Jehovah Ianao Rehefa Mankatò Azy”

Kely sisa dia hamoaka didy momba ny Ranabavy Anna Matveyeva ny fitsarana any Lessossibirsk, any amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk. Mbola tsy fantatra ny sazy hangatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny mahafantatra hoe raha manaraka ny fampahatsiahivan’i Jehovah hoatran’i Anna isika, dia ho falifaly foana.​—Salamo 119:111, 112.

Zava-nitranga

  1. 25 Novambra 2021

    Rehefa avy naka feo an-tsokosoko ny resak’ireo rahalahy nandritra ny efa ho herintaona ny manam-pahefana, dia nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah enina tany Lessossibirsk, anisan’izany ny tranon’i Anna

  2. 30 Janoary 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  3. 17 Febroary 2023

    Tsy navela hanao dia lavitra

  4. 29 Desambra 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy