8 SEPTAMBRA 2020
ROSIA
Tanora Vavolombelona Roa Manam-pinoana sy Be Herim-po
Mety ho voaheloka sy higadra mandritra ny fotoana elaela ny tanora roa any Rosia, nefa mbola be herim-po foana. Tsy iza izany fa ny Rahalahy Yegor Baranov sy ny Ranabavy Darya Dulova. Vao 19 taona monja ny Rahalahy Baranov, nefa tanana am-ponja vonjimaika izy izao. Ny Ranabavy Dulova indray vao 18 taona rehefa nanao bemidina tany an-tranony ny manam-pahefana. Izy mianadahy ireo no zandriny indrindra amin’ireo rahalahy sy anabavy 380 mahery nampangaina hoe nanao heloka bevava any Rosia.
Efa nanomboka tamin’ny 27 Mey 2020 ny Rahalahy Baranov no nogadraina. Ny Ranabavy Dulova indray mbola miandry ny fotoana hitsarana azy amin’ireo heloka bevava roa samihafa niampangana azy. Na dia be dia be aza ny olana mahazo azy ireo, dia tapa-kevitra ry zareo hoe tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy.
Tonga nanao bemidina tany amin’ny trano nipetrahan’ny Rahalahy Baranov sy ny mamany ny polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), sady niaraka tamin’ny basy. Nasain’ny Mpitsara Aleksey Shatilov notanana am-ponja vonjimaika izy, satria hoe “anisan’ny mpitarika” ny Vavolombelon’i Jehovah any an-toerana, hono.
Nilaza ny Rahalahy Baranov fa nampitebiteby be ilay zava-nitranga tany an-tranony, nefa nivavaka tamin’i Jehovah izy dia lasa tony tsara. Nitantara izy hoe: “Voamariky ny iray tamin’ireo polisy nisava ny tranonay hoe tsy taitra mihitsy aho, sady hoatran’ny hoe efa nahafantatra hoe ho avy ry zareo.”
Nilaza ny Rahalahy Baranov fa niezaka nitadidy foana izy hoe: “Raha avelan’i Jehovah hitranga izao dia midika izany fa ho vitako ny hiaritra an’ilay izy.” Hoy koa izy hoe: “Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hampiany, dia nomeny fanahy masina aho, dia lasa tsy hatahotra. Tsy matahotahotra koa aho satria fantatro hoe tsy mpanao heloka bevava izany aho. Madio ny feon’ny fieritreretako satria ny zavatra inoako no mahatonga an’ahy enjehina.”
Nanazava ny Rahalahy Baranov fa tsy maninona izy any am-ponja satria tsy mahery setra ny olona miara-migadra aminy. Manaja azy ry zareo sady mitondra azy hoatran’ny hoe zandriny. Hoy izy hoe: “Azon-dry zareo tsara hoe tsy misy antony tokony hanagadrana ahy mihitsy.”
Tamin’ny 1 Aogositra 2018 ny polisy no nanao bemidina tao amin’ny trano ipetrahan’ny Ranabavy Dulova sy ny mamany. Nilaza ny Ranabavy Dulova fa nampitebiteby be ilay hoe nosavaina ny tranony dia avy eo izy nosamborina, nefa natanjaka tsara foana ny finoany. Hoy izy hoe: “Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah aho. Hanompo an’azy hatramin’ny farany aho, na inona na inona hitranga.”
Nampangaina hoe mpanao heloka bevava ny Ranabavy Dulova. Tamin’ny Septambra 2019 izy no nanomboka notsaraina tao amin’ny Fitsaran’i Karpinski, any Sverdlovsk. Tamin’ny fitsarana azy faramparany, dia nanazava teo anatrehan’ny fitsarana izy hoe ara-dalàna raha resahin’ny olona iray amin’olon-kafa izay zavatra tsara mitranga eo amin’ny fiainany. Hoy izy avy eo hoe: “Izaho izao, ohatra, mahafantatra hoe tsy ho ela dia hataon’Andriamanitra lasa paradisa ny tany, ary tsy ho ela koa dia tsy hisy afa-tsy ranomasom-pifaliana sisa. Mahafantatra zavatra tsara be hoatr’izany ve aho dia tsy mba hoteneniko amin’ny olona ilay izy?”
Na dia be herim-po aza izy sady nitombina tsara ny fiarovan-tenany, dia voaheloka ihany izy, tamin’ny 27 Janoary 2020. Nahazo sazy mihantona herintaona ny Ranabavy Dulova. Nampakatra fitsarana ambony kokoa ny mpisolovavany.
Nofoanan’ny Fitsarana tany Sverdlovsk ilay didim-pitsarana natao tamin’ny Ranabavy Dulova, tamin’ny 6 Aogositra 2020. Naverina tany amin’ny Fitsaran’i Karpinski ilay raharaha, dia mpitsara hafa indray no nasaina nandinika an’ilay izy. Mbola tsy fantatra aloha ny datin’ny fitsarana manaraka hatreto. Mandra-piandry ny didim-pitsarana, dia miezaka manaporofo ny Ranabavy Dulova hoe tsy meloka izy, amin’ny raharaha iray hafa hiampangana azy sy ny mamany ary ny Vavolombelona telo hafa.
Nianatra zavatra be dia be tamin’ireny fitsapana nahazo azy ireny ny Rahalahy Baranov sy ny Ranabavy Dulova.
Nohazavain’ny Ranabavy Dulova hoe inona no tena nanampy azy. Hoy izy: “Miezaha hifandray akaiky amin’i Jehovah. Hanampy anao amin’izany ny mamaky Baiboly, manomana fivoriana ary mianatra ny hiran’ilay Fanjakana. Miezaha hisaintsaina andinin-teny afaka manampy anao tsy hanahy be na hatahotra ny amin’izay zavatra mety hitranga.”
Hoy ny Rahalahy Baranov: “Mila mifandray tsara amin’i Jehovah ianao, raha te hahavita hiaritra fanenjehana. Aza lanilanina fotsiny ny fotoana fa dieny izao dia miezaha hifandray akaiky amin’i Jehovah.”
Tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe be dia be ny tanora nampian’i Jehovah ho sahy sy ho be herim-po. Matoky isika fa mbola hanampy an’izay tanora miatrika fanenjehana foana izy, na any Rosia izany na any an-toeran-kafa.—1 Samoela 1:20; 16:18; 2 Mpanjaka 5:1-3; Daniela 1:14-17; 3:17-27.