Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Gubin

5 APRILY 2021
ROSIA

Tapa-kevitra ny Rahalahy Andrey Gubin fa Tsy Hivadika na dia Nomelohina Noho ny Finoany Aza

Tapa-kevitra ny Rahalahy Andrey Gubin fa Tsy Hivadika na dia Nomelohina Noho ny Finoany Aza

VAOVAO FARANY | Nofoanan’ny Fitsarana Rosianina ny Fanamelohana ny Rahalahy Gubin

Nofoanan’ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Andrey Gubin, tamin’ny 1 Febroary 2022. Naverina tany amin’ny fitsarana ambany kokoa ilay raharaha.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Rahalahy Andrey Gubin, tamin’ny 9 Septambra 2021. Nomena sazy mihantona roa taona sy tapany izy. Mbola tsy ampidirina am-ponja aloha izy.

Ilay voampanga

Andrey Gubin

  • Teraka: 1974 (tany Saran, Kazakhstan)

  • Mombamomba azy: Manana zoky lahy iray sy zoky vavy iray. Nanao asa tapa-potoana izy rehefa avy nianatra, tamin’izy mbola tanora, mba hanampiana ny fianakaviany. Mpanamboatra lakile no asany tamin’izany. Lasa tourneur (mpiasa amin’ny milina vaventy) sy mpamily fiara vaventy izy tatỳ aoriana. Tia manao spaoro, manoratra tononkalo, ary mitendry zavamaneno

  • Efa nampiady saina azy hatramin’ny mbola kely ny tsy rariny sy ny faharatsiana hitany. Lasa niadan-tsaina anefa izy rehefa nianatra Baiboly. Lasa hitany koa hoe misy dikany ihany ny fiainana. Naniry hanokan-tena ho an’i Jehovah izy rehefa nahita ny fampanantenan’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly hoe hampanjaka ny rariny sy ny fiadanana eto an-tany. Natao batisa izy tamin’ny 1991, tamin’izy 17 taona. Nanambady an’i Tatyana tamin’ny 2007. Nifindra tany Birobidzhan tamin’ny 2011

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanomboka namotopototra momba ny Rahalahy Andrey Gubin ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tamin’ny 12 Febroary 2020. Nanomboka tamin’ny 17 Septambra 2020 ny fitsarana azy.

Misy raharaha ara-pitsarana 18 ankoatra an’io, mahakasika ny rahalahintsika sy anabavintsika any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy. Nampangaina ireo rahalahy sy anabavintsika ireo rehefa avy nanao bemidina tany an-tranony ny FSB. Nantsoina hoe “Andro Fitsarana” io bemidina nataon’ny FSB io. Polisy 150 no nanao savahao trano 22 an’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 17 Mey 2018. Nalain’izy ireo ny karta fakana vola, ny vola, ny sary, ny ordinatera, ary ny fitaovana elektronika hafa.

Tsy navelan’ny manam-pahefana haka vola tao amin’ny kaontiny tany amin’ny banky i Andrey sy Tatyana, dia lasa sahirana be. Naharitra amam-bolana koa ny fiampangana an-dry zareo, dia nanjary nisy vokany be tamin’ny fahasalaman’i Tatyana izany. Tena nampahery azy mivady anefa ny mamaky Baiboly tsy tapaka. Nahita fomba hiatrehana ny fahasahiranany ry zareo rehefa nanaraka ny torohevitra avy ao amin’ny Baiboly.

Tena nanampy be an’i Andrey koa ny mpiara-manompo dia lasa vao mainka izy natoky an’i Jehovah sy ny fandaminany. Indray andro, ohatra, nanahy momba ny fiainan-dry zareo izy, dia niresaka momba an’izany tamin’ny rahalahy anankiray. Nampangaina koa io rahalahy io. Nolazain’ilay rahalahy aloha tamin’ny voalohany hoe ara-dalàna raha manahy i Andrey. Nampahatsiahiviny an’i Andrey anefa avy eo hoe noheverin’i Jesosy ho tombontsoa be izany hoe henjehina noho ny anaran’i Jehovah izany. Hoy i Andrey: “Lasa tony aho taorian’izay, sady tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’ilay Raintsika foana.”

Mivavaka isika hoe hiantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny mpiara-manompo foana i Andrey sy Tatyana mba hahazoana fampiononana sy hery. Matoky isika hoe “ho tsara fiafara izay matahotra an’ilay tena Andriamanitra.”​—Mpitoriteny 8:12.