Hijery ny anatiny

Ambony, avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Ketov; Rahalahy Andrey Kharlamov sy Larisa vadiny; Rahalahy Aleksandr Kruglyakov

Ambany, avy any ankavia miankavanana: Ranabavy Lidiya Nekrasova; Rahalahy Sergey Ushakhin

10 AOGOSITRA 2023
ROSIA

Tapa-kevitra ny ho Faly Foana na dia Enjehina Aza

Tapa-kevitra ny ho Faly Foana na dia Enjehina Aza

Tsy ho ela ny Fitsaran’i Syktyvkar any amin’ny République des Komis dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Aleksandr Ketov, Andrey Kharlamov, Aleksandr Kruglyakov, Ranabavy Lidiya Nekrasova, ary Rahalahy Sergey Ushakhin. Tsy mbola nilaza ny sazy homena azy ireo ny mpampanoa lalàna.

Ireo voampanga

Asehon’ireo fitantarana rehetra ireo fa ataon’i Jehovah “matanjaka be” ny rahalahy sy anabavintsika miatrika fitsapana, dia omeny hery mba hahavita tsy hivadika.​—Isaia 40:29.

Zava-nitranga

  1. 2 Martsa 2021

    Tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 14, fara fahakeliny, no nosavana tany Syktyvkar. Nampidirina am-ponja vonjimaika i Aleksandr Ketov sy Andrey Kharlamov ary Aleksandr Kruglyakov. I Lydia Nekrasova sy Sergey Ushakhin indray tsy navela hiala lavitra ny toerana misy azy

  2. 3 Martsa 2021

    Nafahana i Aleksandr Ketov sy Andrey Kharlamov, dia tsy navela hivoaka ny tranony. Notanana am-ponja kosa i Aleksandr Kruglyakov mandra-piandry ny fitsarana azy

  3. 27 Aprily 2021

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Andrey Kharlamov

  4. 28 Aprily 2021

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Aleksandr Ketov, ary nafahana avy tany am-ponja i Aleksandr Kruglyakov

  5. 19 Aprily 2022

    Nanomboka ny fitsarana

  6. 9 Jona 2022

    Nilaza ny mpitsara fa tsy ampy ny porofo hoe nanao zavatra mampidi-doza ireo voampanga, dia naveriny tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha

  7. 14 Febroary 2023

    Nitohy indray ny fitsarana, miaraka amin’ny mpitsara vaovao