Hijery ny anatiny

Sergey Verkhoturov sy Viktoriya vadiny

26 FEBROARY 2021
ROSIA

Tena Tony ny Rahalahy Sergey Verkhoturov na dia Mety Higadra Fito Taona Aza

Tena Tony ny Rahalahy Sergey Verkhoturov na dia Mety Higadra Fito Taona Aza

Datin’ny didim-pitsarana

Mety hamoaka didim-pitsarana mahakasika ny Rahalahy Serge Verkhoturov ny fitsaram-paritr’i Priokski, any Nizhny Novgorod amin’ny 1 Martsa 2021. a Mety higadra fito taona izy.

Ilay voampanga

Sergey Verkhoturov

  • Teraka: 1974 (tany Baikalsk, any amin’ny faritr’i Irkoutsk)

  • Mombamomba azy: Elektrisianina nandritra ny folo taona. Lasa mpanolo-tsaina tao amin’ny orinasa iray izy tatỳ aoriana

  • Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny Baiboly. Nanaiky hianatra Baiboly izy rehefa lehibe, satria nahafinaritra azy ny fitondran-tenan’ny mpiara miasa taminy iray izay. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy io mpiara-miasa taminy io. Nahavariana azy hoe tena tsotra sy mitombina tsara ny zavatra resahin’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1995. Nanambady an’i Viktoriya, tamin’ny 2001

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao savahao tranona Vavolombelon’ny Jehovah 35 tany Nizhny Novgorod ny manam-pahefana rosianina tamin’ny 16 sy 17 Jolay 2019, ary anisan’ny nosavana koa ny tranon-dry Verkhoturov. Nanao bemidina tao an-tranony ny polisy. Hozy i Sergey hoe: “Tony tsara aho tamin’izay sady zara raha nitebiteby.” Nandrahona an’i Sergey ny polisy hoe hogadrainy i Viktoriya raha tsy nety niteny ny fanazavana manokana nilain-dry zareo i Sergey. Nilaza i Sergey hoe: “Mafy be tamiko ilay izy.” Nahavita tsy nivadika ihany anefa izy fa nampian’i Jehovah, dia tsy nigadra koa i Viktoriya. b

Niteny i Segey hoe: “Nianarako hoe aleo tsy matahotra be momba ny zavatra iray raha mbola tsy mitranga ilay izy, satria tsy araka ny eritreretintsika matetika ny zavatra mitranga. Ny olona mitazana no mieritreritra hoe raha izaho no tratran’izany dia tsy ho vitako mihitsy ny hiatrika an’izany. Vitanao ihany anefa ilay izy rehefa ianao no iharan’ilay izy. Tsapanao mantsy hoe manohana anao amin’ny fomba miavaka i Jehovah mandritra an’ilay fitsapana.”

Nifantoka tamin’izay azony natao ho an’i Jehovah sy ny olon-kafa i Sergey dia izany nanampy azy ho falifaly foana. Nilaza izy hoe: “Zavatra iray ihany no mba iriko, dia hoe mba hanome voninahitra ny anarany i Jehovah. Mivavaka momba an’izany foana aho, ary mbola hivavaka momba an’izany ihany. Mivavaka koa aho mba hahavita hiaritra ka hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah, dia amin’izay ny zavatra ataoko mba ho fitoriana vita ho azy amin’ny olona. Tsy mahalala na inona na inona momba an’i Jehovah ny olona hitako tao anatin’ity fitsapana ity, na mahalala azy ihany fa kely. Nitalaho tamin’i Jehovah tamin’ny foko manontolo aho mba hanampy an-dry zareo hahafantatra momba azy sy ho lasa namany.”

Mamerina ny tenin’ny apostoly Paoly ho an’ireo mpiara-manompo amintsika miatrika fanenjehana any Rosia isika hoe: “Enga anie ilay Tompon’ny fiadanana mba hanome fiadanana anareo foana, amin’ny zava-drehetra! Ary enga anie ny Tompo hanohana anareo rehetra!”—2 Tesalonianina 3:16.

a Mbola mety hiova.

b Voampanga ho mpanao heloka bevava koa i Viktoriya tamin’ny Martsa 2020.