Hijery ny anatiny

Rahalahy Oleg Sirotkin

2 DESAMBRA 2022
ROSIA

“Tena Zava-dehibe ny Zavatra Ataoko”

“Tena Zava-dehibe ny Zavatra Ataoko”

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Tambov dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Oleg Sirotkin. Mbola tsy nilaza ny sazy tokony homena azy ny mpampanoa lalàna.

Ilay voampanga

Manampy antsika hitadidy ny tantaran’i Oleg hoe rehefa matoky tanteraka an’i Jehovah ny olona iray, dia “tsy hatahotra handre vaovao ratsy izy. Tsy miovaova mihitsy ny fony, fa matoky an’i Jehovah.”​—Salamo 112:7.

Zava-nitranga

  1. Martsa 2021

    Nanomboka narahi-maso mangingina. Nanafina fitaovana fandraisam-peo tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny tao an-tranon’i Oleg ny manam-pahefana. Narahin’izy ireo maso koa ny zavatra nataony tao amin’ny ordinaterany

  2. 14 Septambra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  3. 21 Septambra 2021

    Nosavana ny tranony. Nalaina ny ordinaterany sy ny taratasiny dia nampiasaina ho porofo niampangana azy

  4. 22 Oktobra 2021

    Nalaina ny fiarany

  5. 11 Aprily 2022

    Nanomboka notsaraina