Hijery ny anatiny

Fitsaram-paritr’i Oriol

11 JONA 2019
ROSIA

Tenin’i Dennis Christensen teo Anatrehan’ny Fitsarana Tamin’ny 16 Mey

Tenin’i Dennis Christensen teo Anatrehan’ny Fitsarana Tamin’ny 16 Mey

Afaka nilaza ny fiarovan-tenany i Dennis, tamin’ny fihainoan’ny fitsarana ambony azy, tamin’ny alakamisy 16 Mey 2019. Ireto ambany ireto ny zavatra noresahiny (nadika avy amin’ny teny rosianina), ary naharitra adiny iray latsaka ilay izy:

Nisy olona ratsy fanahy izay, nilaza an’izao teny izao, taona maro lasa izay: ‘Rehefa averimberina ny lainga dia lasa mihamarina’, izany hoe lasa marina ny lainga iray rehefa averina inarivony. Olona be dia be tsy nanan-tsiny no nijaly rehefa niezaka nanamarina ny laingan’io lehilahy io ny olona sasany.

Efa taloha be izany no nitranga. Betsaka no mieritreritra hoe efa mba nahita fianarana ny olona amin’izao taonjato faha-21 izao ka tsy hamerina ny fahadisoana natao tamin’ny lasa.

Hoatran’ny tsy izany anefa no zava-misy. Mbola misy mampiasa an’io fomba ratsy io ihany izao mba hiampangana ahy sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa eto Rosia. Dia mbola be dia be koa ny olona tsy manan-tsiny mijaly, noho ilay lainga.

Ny lainga nampiasaina tamiko izao dia hoe mbola manohy ny asan’ny Fikambanana Ara-pivavahana (LRO) nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol, hono, aho ary miafina rehefa manao an’izany. Efa nolazain’ny fitsarana iray anefa hoe mampidi-doza io fikambanana io ary norarany.

Naverimberina foana izany fiampangana izany nandritra ny fitsarana ahy nefa tsy nisy porofo akory. Hoatran’ny tian-dry zareo hohamarinina ilay laingany.

Ny marina anefa dia hoe mbola tsy anisan’ny LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol mihitsy aho.

Manaiky aho hoe Kristianina, Vavolombelon’i Jehovah. Maromaro izahay no nanatrika fivoriana ara-pivavahana notarihin’ny mpivavaka vitsivitsy tsy misy ifandraisany amin’ny LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol. Mifanaraka tanteraka amin’ny Andininy faha-28 amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia ny nataonay.

Tsy nanohy ny asan’ny LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol aho ary tsy nandika ny lalàn’i Rosia. Tsy mbola nanao zavatra mampidi-doza ny fiaraha-monina mihitsy koa aho.

Betsaka no nanontany ahy hoe: “Maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no lazaina fa mampidi-doza, dia inona marina ilay zavatra mampidi-doza ataon-dry zareo?” Dia hozy aho hoe: “Tsy haiko!”

Tia ny namany tahaka ny tenany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao soa ho an’ny fiaraha-monina. Manao ny marina izy ireo dia mankatò lalàna sy mandoa hetra. Inona moa izany no “zavatra mampidi-doza” ataon-dry zareo? Tsy haiko mihitsy. Ary mbola tsy nahazo valiny aho nandritra an’izay fitsarana ahy izay.

Ampangaina aho hoe manohy ny asan’ny fikambanana kely nisy mpikambana folo teo ho eo. Ara-dalàna ilay fikambanana fa avy eo nolazain’ny fitsarana hoe mampidi-doza. Oviana aho no nanohy an’izany asa izany, ary inona no nataoko? Inona amin’ny nataoko no mampidi-doza?

Tsy nahazo valin’ireo fanontaniana ireo mihitsy aho nandritra ny fitsarana ahy. Hainareo ny antony? Satria lainga ilay izy fa averimberin’izy ireo mba hahatonga an’ilay izy ho marina.

Misy miady mafy mihitsy eto Rosia mba hinoan’ny olona hoe mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy rariny izany sady tsy marina. Tsy mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana isika no miteny an’izany?

Voalohany, tsy manao miaramila mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy mandeha miady. Tany Alemaina izao, tamin’ny Ady Lehibe II, novonoina ho faty izy ireo satria tsy nety niditra tao amin’ny tafika alemà. Tsy nandeha niady na namono miaramila sovietika izy ireo.

Nenjehin’ny URSS mafy koa ny Vavolombelon’i Jehovah sady nolazainy fa tsy tia kominista sy fahavalon’ny firenena. Tsy nankahala ny mpanenjika azy anefa izy ireo.

Miray saina izao ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena samihafa, ary hoatran’ny fianakaviana maneran-tany izy ireo. Mihavana tsara izy ireo fa tsy miady. Manaporofo izany hoe afaka miray saina ny olona na dia tsy mitovy aza.

Faharoa, tsy misy firenena miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho mampidi-doza mihitsy eran-tany, afa-tsy i Rosia. Manompo an’Andriamanitra malalaka tsara sy milamina tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany 200 mahery. Mpitandro fihavanana no ahafantaran’ny olona azy ireo fa tsy mampidi-doza mihitsy.

Miray saina izy ireo satria mitovy ny zavatra ianarany ao amin’ny Baiboly. Izany no mahatonga azy ireo hampiseho toetra tsara foana, ohatra hoe fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, [fahalemem-panahy], ary fifehezan-tena.

Antsoin’ny Baiboly hoe “vokatry ny fanahy” ireo, ary tsy manakorontana ny fiaraha-monina mihitsy ny olona manana an’ireo toetra ireo. Tsy mampidi-doza mihitsy ireo fa mahasoa ny olona rehetra.

Fahatelo, na ny manam-pahaizana momba ny zon’olombelona eto Rosia aza milaza hoe tsy tokony hampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika. Maro tamin’izy ireo no niteny hoe manala baraka an’i Rosia izany satria milaza azy ho firenena demokratika tan-dalàna i Rosia. Tsy hiteny an’izany mihitsy ireo manam-pahaizana ireo raha nisy porofo ahitana hoe mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fahefatra, milaza koa ny firenena hafa fa tsy tokony hampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia ny Lalàna Hanoherana ny Fikambanana Mahery Fihetsika. Mampirisika mafy ny manam-pahefana rosianina ny Antenimieran’ny Filan-kevitra Eoropeanina mba tsy hampihatra an’io lalàna io intsony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa imbetsaka koa ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona no nilaza hoe tsy mety raha ampiharina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia ilay lalàna iadiana amin’ny fikambanana mahery fihetsika. Olona maro tia fihavanana sy tsy manan-tsiny mantsy no lasa enjehina.

Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy Kristy hoe: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) a Nendrikendrehina ho mampidi-doza izy, dia avy eo nomelohina sy novonoina. Tena tsy rariny mihitsy izany.

Tsy miaina amin’ny taonjato voalohany na amin’ny Moyen Âge intsony anefa isika. Amin’izao taonjato faha-21 izao no tena tokony hohajaina ny zon’olombelona sy ny fahalalahana ara-pivavahana.

Rariny ve raha tsy avela hino an’Andriamanitra ny olona dia avy eo gadraina raha vao mino azy? Mino aho hoe tsy mety izany. Any amin’ireny tany tsy refesi-mandidy ireny ihany no misy an’izany. Tsy manao an’izany ny tany demokratika tan-dalàna, ary manantena aho hoe anisan’izany i Rosia, na fara faharatsiny, miezaka ho demokratika.

Nandritra ny fitsarana ahy, dia tsikaritro fa lazain’ny olona sasany eto Rosia hoe mampidi-doza ianao raha mino hoe marina ny fivavahanao ary lazainao an-karihary izany. Hafahafa be izany satria ny mpivavaka rehetra samy mino hoe ny fivavahany no marina. Izy ve dia mbola hivavaka any ihany raha tsy inoany hoe marina ny fivavahany?

Raha izany no itsarana ny olona hoe mampidi-doza izy, dia hoatr’izany koa izany i Jesosy Kristy. Izy mantsy niteny tamin’i Pontio Pilato hoe: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.”—Jaona 18:37.

Azo fantarina [ao amin’ny Baiboly] izany ny marina. Nitory momba ny marina i Jesosy dia nampianariny ny marina ny mpianany. Tsy hoe ny marina amin’ny ankapobeny fotsiny izany, fa ny marina momba ny fikasan’Andriamanitra. Fikasany izao ny hoe ho Mpisoronabe sy Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, “ilay zanak’i Davida” (taranak’i Davida).

Nohazavain’i Jesosy hoe ny tena nahatongavany teto an-tany sy nanompoany tetỳ, dia ny hitory ny marina momba an’io Fanjakana io. Ny olona amin’izao fotoana izao ve dia hisy hieritreritra hoe mampidi-doza i Jesosy satria fotsiny hoe nitory momba ny marina izy?

Manahaka azy ny Vavolombelon’i Jehovah ka mitory momba ny marina ao amin’ny Baiboly. Toriny hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no vahaolana ho an’ny olombelona. Miresaka amin’ny olona rehetra momba an’izay voalazan’ny Baiboly izy ireo.

Nivavaka tamin’Andriamanitra i Jesosy, indray mandeha, hoe: “Mba hamasino amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tokony hahalala ny marina ao amin’ny Baiboly izany ny olon-drehetra. Mahasoa ny olona izany fa tsy mampidi-doza mihitsy.

Tsy ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no mino hoe marina ny Baiboly. Nilaza koa i Mikhail Lomonosov, Rosianina mpahay siansa, hoe: “Nomen’ny Mpamorona boky roa ny olombelona. Nasehony tao amin’ny boky iray ny heriny, ary nasehony tao amin’ny iray ny fikasany. Tsy inona ilay boky voalohany fa ny zavaboary hita maso izay noforoniny ... Ilay boky faharoa kosa dia ny Soratra Masina.”

Azo antoka hoe nandinika tsara ny Soratra Masina i Lomonosov, ary marina ny azy. Hahafantatra zavatra betsaka momba an’Andriamanitra isika raha mandinika ny zavaboary. Vao mainka isika hahafantatra azy raha mamaky sy mianatra ny Baiboly.

Ny Baiboly mihitsy no miteny hoe: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, ... hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Ho amin’ny asa tsara rehetra!

Nanatrika fivoriana kristianina sy nandray anjara tamin’izany aho, dia izany mihitsy no nianaranay tany, hoe ahoana no hanaovana asa tsara ho an’ny olona. Mpivavaka vitsivitsy, tsy misy ifandraisany amin’ilay LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol, no nitarika an’ireny fivoriana ireny.

Nijery videon’ny fivoriana nataonay tamin’ny 19 sy 26 Febroary 2017 isika teto amin’ny fitsarana, ary niarahana nahita teto hoe tsy nisy zavatra mampidi-doza mihitsy nolazaina na natao tao. Fampianaran’ny Baiboly no nodinihina tao ary mahasoa ny olona rehetra ilay izy. Nilamina tsara ilay fivoriana dia falifaly daholo ny mpanatrika, hoatran’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ihany.

Tsy manakorontana ny fiaraha-monina mihitsy ny fampianaran’ny Baiboly dinihinay, fa vao mainka aza manampy sy mampionona ny olona. Raha manana havana maty, ohatra, ilay olona, dia hampionona azy ity fampanantenan’ny Baiboly ity: “Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

Fahavalon’ny olona rehetra ny fahafatesana ary mampahatahotra azy. Andriamanitra kosa tsy mba matahotra ny fahafatesana. Hoy izy ao amin’ny Isaia 25:8: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”

Eritrereto ange e! Tsy handevina intsony isika, dia tsy hisy intsony ny fasana. Hotanterahin’Andriamanitra ilay nampanantenainy, hoe hatsangany ny maty, dia tsy hitomany noho ny alahelo intsony isika fa hitomany noho ny hafaliana. Ho sitrana, amin’izay, ny ratram-pon’ny olona manana havana maty.

Tena mampionona ahy izany satria betsaka koa ny havako efa maty. Tamin’izaho tany am-ponja, ohatra, no maty ny olona iray tena tsy foiko. Maty i bebenay, Helga Margrethe Christensen.

Izy no nianatra Baiboly sy lasa Vavolombelon’i Jehovah voalohany tamin’ny fianakavianay. Nampianariny ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly aloha i Dada, dia avy eo izaho. Be dia be ny olona tia sy nanaja azy, na ny mpiray tanàna, na ny mpiara-miasa aminy, na ny havany.

Tia sy nanaja ny olona rehetra izy, na inona na inona fivavahan’ilay olona, na firenena niaviany, na volon-kodiny. Niezaka nanampy olona foana izy, dia nanao asa soa tamin’ny mpiray tanàna taminy. Mety hisy hiteny aloha hoe mampidi-doza izy e! Fa raha olona misaina tsara tsy hieritreritra an’izany.

Miandry ny fotoana hananganan’Andriamanitra azy amin’ny maty aho, dia hihaona indray izahay mianaka. Malahelo aho fa tsy afaka nandevina azy. Tsy mba afaka nampionona ny havako akory aho tao anatin’iny fotoana mangidy iny. Izaho mantsy mbola nigadra satria nisy an’ity fiampangana tsy misy dikany ity.

Nampahery ahy ilay fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nanome toky ahy ilay izy hoe tsy maintsy mbola hihaona izahay mianaka, rehefa hanjaka amin’ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Matoky aho hoe hanampy sy hampahery ny olon-kafa koa izany fanantenana izany satria nanampy sy nampahery ahy ilay izy.

Anisan’ny fampianaran’ny Baiboly nodinihinay tany am-pivoriana koa ilay hoe ho paradisa ny tany, dia hihavana ny olona rehetra sady ho ampy sakafo tsara. Tsy hisy harary intsony amin’izay, araka ny faminaniana ao amin’ny Isaia 33:24 hoe: “Ary tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ Ho voavela heloka ny olona monina ao amin’ilay tany.”

Hidiran-doza ve ny olona raha resahina an’izany fanantenana izany? Tsy izany mihitsy. Vao mainka aza izy ho velom-panantenana sy ho faly. I Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!”—Lioka 11:28.

Ny tsirairay no mifidy hoe hino an’izany ve izy sa tsia. Tsy teren’Andriamanitra hanompo azy ny olona. Hoy izy ao amin’ny Jeremia 29:11: “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’, hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza, mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.’”

Atoron’Andriamanitra antsika ny fomba fiaina tsara indrindra. Tiany hifandray akaiky aminy isika. Manasa ny olona hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’izay ireny olona ireny hiaina mandrakizay. Tsy misy zavatra mampidi-doza mihitsy amin’izany. Sa inona no “zavatra mampidi-doza” nataoko? Nahoana aho no hogadraina enin-taona?

Izaho tsy hoe nanao heloka bevava na zavatra hoatr’izany. Miteny zavatra tsara momba ahy daholo na ny mpiray tanàna aminay na ny polisy eny aminay na ny mpiasan’ny fonja. Ka izay no mahatonga ahy hamerina hanontany hoe: “Inona no ‘zavatra mampidi-doza’ nataoko? Nahoana aho no hogadraina enin-taona?”

Tsy azoko mihitsy. Niandry ihany aho tao anatin’izay roa taona izay, fa mbola tsy azoko ihany. Ny Fitsarana Ambony angamba mety hahavaly ny fanontaniako, fa ny fitsarana ambaratonga voalohany aloha tsy nahavaly an’ilay izy.

Averiko ihany hoe efa taonjato faha-21 izao iainantsika izao fa tsy hoe Moyen Âge. Efa mba nandroso ihany ny olombelona. Mampalahelo anefa hoe mbola misy olona enjehina ihany eto Rosia ary misy aza ampijalina mihitsy, noho ny fivavahany fotsiny.

Natao famotorana ny Vavolombelon’i Jehovah fito, tamin’ny 15 Febroary 2019. Nampijalijalin’ny Komity Mpanao Famotorana tao Sourgout izy ireo mba hanerena azy hilaza an’izay tian’ireo mpanao famotorana ho heno. Manan-jo tsy hanao vavolombelona hiampanga ny tenany sy ny havany izy ireo, araka ny Andininy faha-51 amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia. Tsy navela nampihatra an’izany zony izany anefa izy ireo, na dia tokony hampiharina amin’ny olon-drehetra aza io andininy amin’ny Lalàm-panorenana io.

Noterena handohalika izy ireo, dia nasaina natsangana ambony ny tanany. Nokapohina ny lohan’izy ireo sy ny vatany, dia nambanina noho ny fiaviany sy ny fivavahany izy ireo. Nohidiana anaty harona ny lohan’izy ireo mba hahasempotra azy, dia nafatotra tao an-damosiny ny tanany. Nofatorana koa ny tongotr’izy ireo. Nivazavaza taminy ny mpanao famotorana sady nisy zavatra nasainy notenenin’izy ireo. Imbetsaka ny sasany tamin’ireo mpivavaka ireo no saika maty sy tsy nahatsiaro tena satria sempotra. Notondrahana rano izy ireo avy eo, dia nodorana tamin’ny fitaovana mamoaka herinaratra.

Voarakitra an-tsoratra mazava tsara daholo izany, nefa tsy misy fiampangana natao tamin’io Komity Mpanao Famotorana io mihitsy. Mody tsy mahita fotsiny ny tompon’andraikitra na lazainy fa ireo mpivavaka ireo ihany no nampijaly ny tenany. Aiza koa no hisy an’izany! Lainga be mahatsiravina izany!

Mahamenatra hoe izany no mitranga eto Rosia izao, ary manantena aho fa mbola hotsaraina sy hosazina ireo nampijaly olona ireo. Olombelona ve dia atao an’izany? Hoatr’izany mihitsy no nataon-dry Hitler sy Staline, dia sahin-dry zareo ve ny mamerina an’izany? Enga anie ka tsy hiverina amin’izany fanao izany isika. Tena manantena aho hoe hahitsy haingana ireny fahadisoana ireny.

Namoaka didy ny fitsarana ambaratonga voalohany hoe: “Raha misy olona manohy ny asa ataon’ny fikambanana ara-pivavahana, izay efa nolazain’ny fitsarana hoe mampidi-doza ka norarany, dia meloka ho mampidi-doza sy nanao heloka bevava tokony hosazin’ny lalàna izany olona izany.” Azoko tsara izany. Inona anefa no ifandraisan’izany amiko?

Tsy misy ifandraisan’izany amiko mihitsy. Tsy anisan’ny LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol mihitsy aho. Tsy nanohy ny asan-dry zareo mihitsy aho na ny kely aza.

Kristianina aho ary miaraka amin’ny antokona mpivavaka tsy misy ifandraisany amin’ilay LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol. Ara-dalàna daholo izay nataoko sady mifanaraka amin’ny Andininy faha-28 amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia.

Tsy nieritreritra ny hanohy ny asan’ny LRO “tsy ara-dalàna” nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol mihitsy aho. Nisy resaka an-telefaonina nataoko tamin’ny namako izay, niarahantsika nihaino tatỳ amin’ny fitsarana. Niteny taminy aho, tamin’izay, hoe: “Mpivavaka isika fa tsy misy ifandraisantsika amin’ny LRO sy ny Birao Mpandrindra.”

Tsy noraharahain’ny fitsarana izany fa naleony nihaino ny tenin’ilay mpiasan’ny FSB nanao vavolombelona mandainga, izay nisandoka anarana hoe A. P. Yermolov. Azon’ny fitsarana hamarinina tsara hoe i Oleg Gennadyevich Kurdyumov no tena anaran’io mpisandoka io.

Tamin’i Oleg Kurdyumov nijoro ho vavolombelona voalohany dia nolazainy tamin’ny mpanao famotorana hoe tsy misy na inona na inona fantany, hono. Tsy nety nanao vavolombelona niampanga ny tenany koa izy satria hoe manan-jo handa an’izany, araka ny Andininy faha-51 amin’ny Lalàm-panorenana rosianina. Hafa indray anefa no nolazainy ny ampitson’iny, dia ilay anarana sandoka hoe A. P. Yermolov no nampiasainy. Mbola io anarany io ihany no nampiasainy tamin’izy nijoro ho vavolombelona taorian’izay.

Nisy videon’ny fivoriana nataonay tamin’ny 19 sy 26 Febroary 2017, nojerentsika teto amin’ny fitsarana, ary marihina fa tsy misy ifandraisany amin’ny LRO nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Oriol ilay izy. Hita be hoe i Oleg Kurdyumov no naka video miafina tamin’ireny. Mampihomehy ilay izy satria tratra be hoe izy no naka kamerà an’ireny. Mihetsika ilay sary rehefa mihetsika izy. Rehefa misy olona manatona azy dia heno tsara ny feony miteny hoe: “Manahoana, i Oleg no anarako.”

Mpitsikilon’ny FSB izany izy tamin’ny voalohany, dia maka video sy mandray feo an’izay atao any am-pivorianay. Mampiasa ny tena anarany izy avy eo dia lazainy fa tsy misy na inona na inona fantany. Mampiasa an’ilay anarany sandoka indray izy, ny ampitson’iny, dia mandainga sady mbola manohy ny laingany eo anatrehan’ny fitsarana. Izany ve dia mba rariny?

Raha ny lalàna, dia tsy mahazo mijoro ho vavolombelona eo anatrehan’ny fitsarana ny mpiasan’ny FSB raha ilay anarany sandoka no ampiasainy. Tsy noraharahain’ny biraon’ny mpampanoa lalàna sy ny mpitsara tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany anefa izany, fa navelan’izy ireo hijoro ho vavolombelona mandainga teo izy. Dia avy eo ny teniny no nampiasaina hiampangana ahy. Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny fitsarana ambaratonga voalohany no nanao an’izany!

Vao mainka koa tsy azoko ny ataon’ny biraon’ny mpampanoa lalàna. Tsy izy ireo ve no tokony hanara-maso hoe voahaja tsara ny lalàna rosianina sa voadika? Navelan’izy ireo tamin’izao fotsiny anefa iny raharaha iny, dia mody tsy mahita izy ireo.

Tiako hahazo tsara an’izay tsapako ity fitsarana ambony ity. Izaho tsy hoe mankahala an’ireo olona ireo. Azoko antoka hoe mahafinaritra izy ireo ary mety ho lasa mpinamana mihitsy aza izahay any aoriana any dia hihomehezanay fotsiny izao. Fa tena tsy mahafa-po mihitsy ny fomba fiasan’izy ireo, mba tsy hilazako hoe tena tsy mety.

Hoatran’ny te hampiasa an’iny mpitsikilo iny ny mpitsara tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany mba hijoroany ho vavolombelona mandainga hiampangana ahy. Hita be mantsy iny mpiasan’ny FSB iny hoe vonona handainga sy hiteny an’izao lainga rehetra izao mba hampigadra ahy.

Tsy azo itokisana ny vavolombelona hoatr’izany. Tsy rariny raha ny tenin’ny vavolombelona mandainga no ampiasaina hanagadrana olona tsy manan-tsiny.

Roa taona lasa teo ho eo izay, dia izao no teniko tamin’ny fitsarana rehefa hohalavaina ny fitanana ahy am-ponja vonjimaika: “Miangavy anareo aho mba hanafaka ahy dia mba hanana fiainana ara-dalàna indray aho!” Mamerina miangavy an’izany aminareo aho izao.

Ny tsapako amin’izao izaho migadra izao dia hoe hoatran’ny tian’ny olona hosarahina amin’ny fiaraha-monina aho, dia tian’izy ireo homelohina. Tian’izy ireo hosarahina amin’ny besinimaro koa anefa aho, amin’izay tsy misy mahalala izay mitranga amin’ity fitsarana ahy ity.

Tsapako hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàna sady mafy loatra ny fanagadrana ahy. Gadraina aho mba tsy ho afaka hiaro tena tsara sy tsy ho afaka hilaza ny hevitro amin’ny filazam-baovao. Mbola ho avy anefa ny fotoana hahafahako miteny malalaka tsara!

Tena tiako raha afahana aho dia mba hiaina ara-dalàna indray, amin’izay aho afaka mipetraka milamina tsara eto amin’ity tanàna tsara tarehy ity miaraka amin’i Irina vadiko. Efa ho roa taona aho izay no tsy afaka nanao izay tiako hatao, fa ny olona no nifidy hoe hoatran’ny ahoana ny fiainako.

Nanala baraka sy nanoso-potaka ahy ny FSB. Namorona taratasy sy nanao fanadihadiana sandoka ary nampiasa mpitsikilo sy vavolombelona nandainga teo anatrehan’ny fitsarana izy ireo mba hiampangana ahy.

Nanao an’izany rehetra izany izy ireo mba hinoan’ny olona hoe izaho, mpivavaka tia fihavanana, dia tena mampidi-doza amin’ny olona sy ny filaminam-pirenena. Mampihomehy ilay izy satria tsy mitombina mihitsy.

Mampalahelo hoe tsy niraharaha ny zava-nisy ny fitsarana ambaratonga voalohany fa nanaiky ny fiampangana ahy. Ry Mpitsara hajaina, mangataka anareo mba hanitsy an’izao tsy rariny izao sy hanohana ny marina. “Miangavy anareo aho mba hanafaka ahy, dia mba hanana fiainana ara-dalàna indray aho!”

Niteny tamin’ny fitsarana aho, telo volana lasa izay, hoe: “Tsy mety amiko ny didim-pitsarana mivoaka eo raha tsy hoe afahana madiodio aho, avoaka avy ao am-ponja, ary ialana tsiny sy omena onitra. Ny ankoatra an’izay tsy mety amiko.” Mbola izany ihany no andrasako.

Tsy rariny izay didim-pitsarana ankoatra an’izay, ka hampakariko any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona any Strasbourg. Tsy maintsy handresy aho raha lasa any ity raharaha ity.

Rehefa handresy aho dia ho gaga daholo ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona sy ny olona maneran-tany ary azo antoka hoe ny olona ambony eto Rosia, anisan’izany ny Filoha Rosianina, Vladimir Vladimirovitch Poutine. Ho gaga izy ireo hoe ny fitsaran’i Oriol ve dia tsy nahita hoe lainga daholo no nampiasaina mba hiampangana ahy, ary naverimberina fotsiny ilay izy dia noterena hoe marina.

Tsy maintsy handalo an’izany rehetra izany ve isika mba hivoahan’ny rariny? Raha hitan’ity fitsarana ambony ity hoe ilaina izany, dia faly aho milaza aminareo sy amin’izay rehetra tonga eto androany ary amin’izay rehetra manaraka an’ity fitsarana ity, hoe: “Izaho koa vonona!”

Hiady mafy hatramin’ny farany aho satria fantatro hoe tsy nanao an’ireo zavatra iampangana ahy ireo aho sady ny marina no lazaiko. Raha tsy maintsy higadra aho, dia tsy mampahatahotra ahy izany, na dia tsy rariny aza.

Tsy matahotra aho sady tsy misy mampanahy ahy. Tony sy milamin-tsaina aho. Tsy hahafoy ahy mihitsy i Jehovah Andriamanitro. Tsapako sahady ny fahamarinan’ireto teny mahafinaritra ireto:

Izaho tsy mba irery,

Satria eo foana i Jehovah.

Tsy mba tsy marina izy,

Hanadino fa tia azy aho.

Fa miahy sy miaro izy,

Ka manome ahy izay ilaiko.

Raiko izy, Namako izy,

Ka hoderaiko.

Misaotra anareo nihaino ahy.

a Andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly rosianina fandikan-tenin’ny synoda no nampiasain’i Dennis. Mba hahatsotra ny fandikana ny teniny anefa, dia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no ampiasaina ato.