Hijery ny anatiny

Fitsaram-paritr’i Oriol

11 JONA 2019
ROSIA

Tenin’i Dennis Christensen teo Anatrehan’ny Fitsarana Tamin’ny 23 Mey

Tenin’i Dennis Christensen teo Anatrehan’ny Fitsarana Tamin’ny 23 Mey

Afaka nilaza ny fiarovan-tenany farany i Dennis, tamin’ilay fitsarana azy tamin’ny alakamisy 23 Mey 2019. Ireto ambany ireto ny zavatra noresahiny (nadika avy amin’ny teny rosianina):

Tiako ny hisaotra an’izay rehetra nanampy sy nanohana ahy tato anatin’izay roa taona izay, nanomboka tamin’ny nisamborana ahy.

Voalohany aloha, dia misaotra betsaka an’i Irina vadiko aho. Teo foana izy hatramin’ny voalohany ary nanao izay azony natao izy mba hanohanana sy hanampiana ahy. Nikarakara ahy izy dia nitondra akanjo, sakafo, fanafody, ary zavatra hafa nilaiko tany am-ponja. Nitsidika ahy izy ary nandefa taratasy ho ahy isan’andro, dia ireny no nanohana ahy ara-pihetseham-po sy nanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy.

Tena manam-pinoana ianao, ry vady malalako, sady manam-paharetana, tony foana, tia ahy, tia ny fahamarinana, ary be fanantenana. Modely tsara ho ahy ianao. Tadidio hoe tena tiako be ianao ary mirehareha aho manana anao.

Isaorako koa ny fianakaviako any Danemark, indrindra fa ny dadako izay efa be taona sy ny anabaviko. Tiako ho fantatrareo hoe mahatsiaro anareo foana aho. Tiako be ianareo, dia misaotra betsaka amin’ny zava-drehetra nataonareo ho ahy. Nanohana ahy ireny taratasy sy antso avy aminareo ireny, tamin’izaho tany am-ponja. Mino aho hoe hanohana ahy foana ianareo. Mino koa aho hoe ho tafaraka indray isika mianakavy indray andro any.

Tiako koa ny hisaotra ny namako rehetra maneran-tany. Nandefa taratasy sy sary tsara tarehy ary fanomezana be dia be ianareo sady nanao teny mampahery koa. Nanampy be ahy ireny rehetra ireny. Tsapako hoe tsy irery aho fa manana fianakaviana be dia be maneran-tany.

Tiako ho fantatrareo fa mampahery be ahy ireny taratasy lehibe sy taratasy kely nalefanareo ireny. Aza malahelo raha tsy voavaliko ny taratasinareo. Mampanantena anareo aho fa mbola hihaona isika amin’ny hoavy, dia hisaotra sy hamihina anareo aho amin’izay.

Mankasitraka ny mpiasa rehetra ao amin’ny Ambasadin’i Danemark any Moscou koa aho. Imbetsaka ianareo no nanatrika ny fitsarana ahy sy nitsidika ahy tany am-ponja. Misaotra betsaka anareo tamin’ny torohevitra tsara sy ny fampaherezana nomenareo.

Tiako koa ny hisaotra ny Fitsarana Ambony satria navelanareo ho tonga eto aho mba hanatrika an’izao fotoam-pitsarana izao. Tany am-ponja mantsy aho tamin’ny fitsarana ahy sasany, dia nampifandraisina mivantana tamin’ny fitsarana tamin’ny alalan’ny video. Tsy tena henoko tsara anefa ny zavatra sasany, tamin’ireny, fa ny ampahany ihany no henoko, dia tsy afaka niaro tena tsara aho. Hidiana anaty bara vy koa aho rehefa atao amin’ny video hoatr’ireny ilay fitsarana. Sanatrian’izany aho hoatran’ireny biby gadraina any amin’ny valan-javaboary ireny. Hitako hoe tsy mety sady tsy tokony hatao amin’ny olombelona amin’izao taonjato faha-21 izao izany.

Efa ho roa taona aho izay no notanana am-ponja ary efa naharitra herintaona sy telo volana sahady izay ity raharaha ity. Mila hery ihany ny miatrika an’izany fa raha tsy izany dia kivy. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Filipianina toko faha-4, andininy faha-13: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.” a Izao koa no resahina ao amin’ny Isaia toko faha-12, andininy faha-2: “Andriamanitra no mpamonjy ahy. Hatoky aho ka tsy hatahotra, satria i Jah Jehovah no tanjako sy heriko, ary izy no mpamonjy ahy.”

Tsapako tao anatin’izay fotoana rehetra izay hoe teo foana i Jehovah Andriamanitro, dia nomeny hery hiaretana aho sady nampiany tsy ho kivy fa ho falifaly sy hitsiky foana. Isaorako be dia be izy ary mirehareha aho hoe mpanompony, izany hoe Vavolombelon’i Jehovah.

Be dia be no nanontany ahy hoe inona no vokatr’izao raharaha ara-pitsarana izao tamiko. Mazava ho azy fa mafy be izany migadra ela be izany, dia sarahina amin’ny vadinao sy ny namanao ary ny fianakavianao. Manirery be mihitsy aho tato anatin’ny roa taona. Hoatran’ny hoe mba velona fotsiny aho. Mijanona ao amin’ny efitra figadrako mandritra ny 23 ora isan’andro aho. Telo metatra ny sakany dia enina metatra ny lavany. Adiny iray isan’andro ihany aho no afaka mandehandeha eo an-tokotany. Telo metatra koa ny sakany dia enina metatra ny lavany, fa mba eny ivelany aloha ilay izy, fara faharatsiny. Nifampiresaka tamin’ny olona isan-karazany aho tany am-pigadrana, tao anatin’izay roa taona izay. Hitako hoe be dia be amin’izy ireo no te ho tsaraina ara-drariny. Mahatsapa ny ankamaroany hoe tsy mba nihaino azy ireo ny fitsarana, dia mitovy amin’izany koa no tsapako tao anatin’izay roa taona izay. Nanao izay azoko natao aho mba hampaherezana azy ireo, ary mino aho fa hoatr’izany koa no nataon’i Jesosy Kristy raha teo izy.

Nahazo namana be dia be aho. Nisy nanatrika ny fitsarana ahy, ary nisy koa nanoratra taratasy ho ahy. Efa nihaona tamiko ny sasany, fa ny hafa kosa mbola tsy hitako. Misy amin’izy ireo mpiara-mivavaka amiko, fa ny hafa tsy mitovy finoana amiko. Manohana ahy daholo izy ireo satria hitany hoe tsy rariny izao. Misy amin’ny olona eto Rosia mantsy milaza hoe mpanao heloka bevava sy mampidi-doza, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mitombina mihitsy anefa izany satria ny Vavolombelon’i Jehovah aza olom-pirenena tia filaminana sy tia olona tahaka ny itiavany ny tenany. Be dia be no gaga sady tezitra rehefa maheno hoe izany no mitranga eto Rosia amin’izao taonjato faha-21 izao.

Be dia be no nanontany ahy hoe nampihena ny finoako ve ity raharaha ara-pitsarana ity. Raha ny marina, dia vao mainka aza mihamatanjaka ny finoako. Iainako mihitsy izao ny zavatra resahin’ny Baiboly ao amin’ny Jakoba toko voalohany, andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-4 hoe: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany. Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra. Avelao hamita ny asany anefa ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.”

Izaho aloha tsy lavorary e! Nefa lasa mahay miaritra sy falifaly foana aho izao rehefa misy fitsapana. Vao mainka aho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitro, dia izay no zava-dehibe indrindra. Vao mainka aho te hiresaka be amin’ny hafa momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, dia te hanohy hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io ihany mantsy no hitondra vahaolana ho an’ny olombelona. Vao mainka aho izao te hiresaka amin’ny hafa an’ilay vaovao tsara ao amin’ny Baiboly hoe hiadana sy hiaina mandrakizay ny olona rehefa lasa paradisa ny tany. Tiako hampiana koa izy ireo mba ho akaiky ny Mpamorona, dia hatoky azy sy ny fampanantenany.

Antsoina hoe “fiarovan-tena farany” moa izao ataoko izao, ary mety ho izao no teniko ho henonareo farany androany. Androany angamba ny fitsarana farany amin’ity raharaha ity, dia hifarana eto izay roa taona izay. Tiako ho fantatrareo anefa fa tsy vita hatreo ny teniko momba an’ity raharaha ity sy momba ny tsy rariny atao amin’ny olona tia fihavanana sy tsy manan-tsiny eto Rosia. Vao fanombohany fotsiny izay fa mbola betsaka ny zavatra tiako ho ren’izao tontolo izao. Tsy hoe manao zavatra tsy mety aho akory na hoe misy zavatra afeniko, ka hoe hangina! Madio ny eritreritro satria tsy nanao ratsy aho, tsy nandika ny lalàn’i Rosia, ary tsy nanao zavatra tokony hahamenatra ahy.

Izay olona mampijaly ahy sy ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia no tokony ho menatra. Endrikendrehiny ho mampidi-doza izahay, dia anaovany famotorana, samboriny, ataony savahao ny tranonay, alainy ny fanananay, anaovany fanadihadiana izahay, rahonany, ary izao lasa ampijaliny koa. Izay manao an’izany no tokony ho menatra. Tsy maintsy mbola hipoitra eny ihany ny marina ary tsy maintsy hanjaka ny rariny na ho ela na ho haingana. Milaza ny Baiboly ao amin’ny Galatianina toko faha-6, andininy faha-7 hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”

Melohin’ny fitsarana higadra enin-taona aho. Fa inona no nataoko? Tsisy! Tsy misy porofo mihitsy hoe nanao zavatra tsy nety aho. Mifanohitra amin’izany aza fa zavatra ananako zo no nataoko, raha jerena ny Andininy faha-28 amin’ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia. Mankatò ny lalàn’i Rosia sy manao ny marina aho. Kristianina aho, mpino, Vavolombelon’i Jehovah, ary tiako ny Rosianina. Nahoana àry aho no sazina? Fa inona no nataoko no gadraina enin-taona aho? Tsisy! Tsy rariny izany.

Mino sy manantena aho hoe hampihatra ny lalàna ny fitsarana androany, dia hitsara araka ny rariny. Enga anie ka ity fitsarana androany ity no hamarana ny fanenjehana fivavahana eto Rosia! Mino mafy aho fa hasehon’ity fitsarana ity amin’izao tontolo izao hoe manana fahalalahana ara-pivavahana ny olona tsirairay eto Rosia.

Tsy ho ela dia ho tanteraka ireto teny ireto: “Ary hamoaka didim-pitsarana eo amin’ny firenena maro izy ... Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Na izy ireo, na ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo. Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy”, Mika toko faha-4, andininy faha-3 sy faha-4.

Mitsara araka ny rariny foana Andriamanitra, dia tsy hisy intsony ny fifandrafiana sy ny herisetra ary ny ady rehefa izy no hanjaka. Hiadana ny olona amin’izay ary tsy hisy zavatra hampanahy intsony, izany hoe tena ho sambatra ny olona rehetra.

Ry Mpitsara hajaina, hanampy olona be dia be ny fanapahan-kevitra tsara horaisinareo androany. Olona be dia be no tsy hatahotra sy tsy hijaly intsony raha mahay manapa-kevitra tsara ianareo satria hampiharana ny rariny izy ireo ka hilamin-tsaina. Mino aho hoe hanao an’izany ianareo. Misaotra mialoha!

a Andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly rosianina fandikan-tenin’ny synoda no nampiasain’i Dennis. Mba hahatsotra ny fandikana ny teniny anefa, dia Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no ampiasaina ato.