Hijery ny anatiny

14 OKTOBRA 2019
ROSIA

Tenin’ny Rahalahy Valeriy Moskalenko teo Anatrehan’ny Fitsarana

Tenin’ny Rahalahy Valeriy Moskalenko teo Anatrehan’ny Fitsarana

Nilaza ny fiarovan-tenany farany teo anatrehan’ny fitsarana ny Rahalahy Valeriy Moskalenko, tamin’ny zoma 30 Aogositra 2019. Ireto ambany ireto ny ampahan’ny zavatra noresahiny (nadika avy amin’ny teny rosianina):

Ry Mpitsara hajaina sy ireo mpanatrika rehetra, 52 taona aho ary nogadraina nandritra ny herintaona, na herintaona mahery raha ny marimarina kokoa.

Tiako horesahina vetivety aminareo ny mombamomba ahy, ny fahitako ny fiampangana ahy, ary ny fahitako ny fiainana, mandritra an’ity fiarovan-tenako farany ity. Manantena mafy aho, ry Mpitsara hajaina, hoe ho azonao ny antony tsy hialako amin’ny finoako amin’Andriamanitra sy ny hoe nahoana no tsy heloka bevava ny mino an’Andriamanitra.

Tsy Vavolombelon’i Jehovah foana akory aho hatramin’izay. Tsara fanahy ny ray aman-dreniko dia nitaiza ahy tsara. Mbola kely anefa aho dia efa nampiasa saina ahy hoe nahoana no be dia be ny tsy rariny. Nieritreritra aho hoe tsy rariny raha ny olon-dratsy sy ny mpamitaka indray no mahomby amin’ny fiainana fa ny olo-marina sy ny tsara fanahy kosa no mijaly.

Tena nikaroka sy nianatra Baiboly nandritra ny volana maromaro aho, tamin’izaho 24 taona, dia nahita valiny ihany.

Isaky ny hanapa-kevitra aho, taorian’izay, dia nieritreritra foana hoe inona no tsapan’Andriamanitra ary inona ny lalàny sy ny toro lalany. Miresaka momba ny lalàny sy ny toro lalany amin’ny an-tsipiriany [ny Baiboly] ary azo fantarina tsara izy ireny rehefa mianatra momba ny [mpanompon’Andriamanitra] taloha isika.

Miara-mipetraka amin’ny mamako aho. Be taona izy dia mila ny fikarakarako. Izy irery no tao an-trano tamin’ny 1 Aogositra 2018. Nasain’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) hanatsofa ny varavaran’ny tranonay ny polisy manokana, tamin’izay. Izay no hitan-dry zareo fa mety mba hanaovana savahao ny tranonay.

Natahotra be ny mamako. Rehefa tafiditra tao an-trano ny polisy manokana nisaron-tava, dia nihetsika ny aretim-pony ary tsy maintsy nantsoina ny fiara mpitondra marary. Tonga tao an-trano aho, afaka antsasak’adiny, rehefa henoko hoe nisy polisy tao an-trano. Niakatra ny tosidrako rehefa nahita ny nahazo ny mamanay aho. Tsy tezitra anefa aho sady niezaka ho tony foana na dia teo aza izany. Tsara fanahy aho satria Kristianina. Izany no nampianarin’i Jehovah Andriamanitro ahy dia tsy te hampahatezitra azy aho.

Miala tsiny, ry Mpitsara hajaina, fa tsy dia mpiresaka ny momba ahy hoatr’izao loatra aho. Androany anefa tsy maintsy horesahiko ny momba ahy.

Efa 25 taona mahery izay no naha Vavolombelon’i Jehovah ahy. Efa ela ihany izany. Mbola tsy nisy nilaza mihitsy hoe mampidi-doza aho, nandritra an’izay 25 taona izay. Izaho aza lazain’ny olona hoe mpiray tanàna mahafinaritra, mpiasa mazoto, ary zanaka mahakarakara.

Tampoka teo anefa dia nolazaina fa mampidi-doza aho, nanomboka tamin’ny 20 Aprily 2017. Fa maninona? Inona no niova? Lasa ratsy toetra ve aho? Sa, lasa mahery setra na mampijaly olona? Very zo ve aho ka tsy mihatra amiko intsony ny Andininy faha-28 amin’ny Lalàm-panorenana Rosianina? Tsy izany mihitsy. Tsy tao anatin’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony ny anarako. Tsy nalana tamiko ny zoko hampiasa ny Lalàm-panorenan’ny Federasionan’i Rosia, indrindra fa ny Andininy faha-28. Dia maninona àry aho no eto amin’ny fitsarana izao?

Vao mainka niharihary, rehefa niresaka tamin’ny mpanao famotorana aho, hoe ny antony nisamborana sy nanagadrana ahy dia satria mpino aho ary mampiasa ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, rehefa mivavaka sy miresaka amin’olona. Tsy heloka bevava ange izany e! Andriamanitra mihitsy no nifidy an’io anarany io dia nataony izay hanoratana azy ao amin’ny Baiboly.

Averiko eto indray hoe efa voalaza mazava ao amin’ny Baiboly ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy hanao zavatra mifanohitra amin’izany mihitsy aho. Na inona na inona sazy homen’ny fitsarana ahy, na dia homelohina ho faty aza aho, dia tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, mihitsy.

Ry Mpitsara hajaina, malaza ho tia olona sy mpitandro fihavanana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Avela manompo an’Andriamanitra malalaka ny Vavolombelona any amin’ny ankamaroan’ny firenena eran-tany. Tena tiako raha mba hajaina hoatr’izany koa ny zon’ny mpivavaka eto Rosia, sy ny zoko manokana amin’ny maha mpino ahy.

Tsy nanao ny heloka bevava iampangana ahy aho, ary miangavy ny fitsarana aho mba tsy hamoaka didy manameloka ahy!

Misaotra betsaka!