Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Oleg Konshin, Rahalahy Sergey Malyanov, ary Ranabavy Svetlana Malyanova

28 NOVAMBRA 2022
ROSIA

Tony Satria Matoky An’i Jehovah

Tony Satria Matoky An’i Jehovah

Tsy ho ela dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Oleg Konshin, Sergey Malyanov ary Roman Zhivolupov a sy ny Ranabavy Svetlana Malyanova, zanaky ny Rahalahy Sergey, ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Nizhny Novgorod. Tsy mbola nofaritan’ny mpampanoa lalàna ny sazy tiany homena an-dry zareo.

Ireo voampanga

Hita amin’ny tantaran’ireo rahalahy sy anabavintsika tsy mivadika ireo fa tena lasa ‘manana herim-po’ sy ‘matanjaka’ tokoa izay ‘manantena an’i Jehovah.’​—Salamo 27:14.

Zava-nitranga

  1. 7 Febroary 2019

    Navelan’ny mpitsara iray hanara-maso ny antso ataon’i Sergey amin’ny telefaonina sy fitaovana hafa ny polisy

  2. 16-17 Jolay 2019

    Nosavain’ny polisy ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 31 any Nizhny Novgorod sy any amin’ny Faritr’i Nizhny Novgorod. Nosamborina i Oleg sy Sergey ary Svetlana ary notanana am-ponja vonjimaika. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy ireo

  3. 18 Jolay 2019

    Nafahana i Oleg sy Sergey ary Svetlana. Tsy navela hivoaka ny tranony ireo rahalahy roa ireo tamin’ny fotoana sasany, ary tsy nahazo nifampiresaka na nampiasa Internet

  4. 24 Aogositra 2021

    Voaheloka hoe nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana iray mampidi-doza i Roman ary tsy navela hanao dia lavitra

  5. 3 Martsa 2022

    Nanomboka ny fitsarana

a b Tsy nisy sarin’ny Rahalahy Roman Zhivolupov azo nalaina tamin’ity lahatsoratra ity navoaka.