Hijery ny anatiny

10 FEBRUARY 2021
ROSIA

Trano 15 Mahery Ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny Faritr’i Moscou no Nanaovana Bemidina

Trano 15 Mahery Ipetrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny Faritr’i Moscou no Nanaovana Bemidina

Vao maraina be, tamin’ny 10 Febroary 2021, dia nanaovan’ny manam-pahefana rosianina bemidina ny trano 15 mahery ipetrahan’ny rahalahy sy anabavy any Moscou sy ny faritra manodidina. Polisy teo an-toerana sy polisim-pirenena ary mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) no tonga tany amin’ireo rahalahy sy anabavy ireo. Betsaka ny rahalahy nentin’izy ireo mba halaina am-bavany ary ny telo tamin’ireo rahalahy ireo, fara fahakeliny, no notazonin’izy ireo.

Mbola mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy any Rosia foana isika. Fantatsika hoe omen’i Jehovah hery hiaretana an’izao fanenjehan izao izy ireo.—1 Petera 5:10.