Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Vinogradov sy Zhanargul vadiny, ary Arina (ankavia) sy Olesya (ankavanana), zanak’izy ireo vavy

18 MEY 2021
ROSIA

Tsapan’ny Rahalahy Dmitriy Vinogradov hoe Tena Mitahy Azy i Jehovah na dia Enjehina aza Izy

Tsapan’ny Rahalahy Dmitriy Vinogradov hoe Tena Mitahy Azy i Jehovah na dia Enjehina aza Izy

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ny Rahalahy Dmitriy Vinogradov

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tcheliabinsk tamin’ny 28 Oktobra 2021 ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Vinogradov rehefa nampakatra fitsarana izy. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy migadra anefa izy amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy, any Tcheliabinsk, ny Rahalahy Dmitriy Vinogradov, tamin’ny 7 Jona 2021. Nomena sazy mihantona roa taona izy.

Ilay voampanga

Dmitriy Vinogradov

  • Teraka: 1963 (tany Tcheliabinsk)

  • Mombamomba azy: Nisaraka ny ray aman-dreniny dia ny mamany no nitaiza azy. Tia nilalao échecs izy, dia nataony anton’asa mihitsy ny échecs, tatỳ aoriana, satria lasa matihanina tamin’ilay izy izy. Nampianatra tany amin’ny sekoly tsy miankina, fianarana échecs. Nanambady an’i Zhanargul tamin’ny 1990. Manan-janaka efatra ry zareo, ka ny roa farany mbola miara-mipetraka amin’izy ireo

    Imbetsaka izy no lasa saina hoe maninona àry ny olona manam-pahaizana no mandoto tontolo iainana sy manimba ny hafa. Nahafa-po azy ny valin’ny fanontaniany hitany tao amin’ny Baiboly. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2014

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy olona maromaro mody liana tamin’ny Baiboly tamin’ny faramparan’ny taona 2018, dia niresaka tamin’i Dmitriy nefa hay polisy ry zareo. Nahazo porofo ampy hiampangana azy ny manam-pahefana tamin’ny Janoary 2020, dia nolazain-dry zareo fa mpanao heloka bevava, hono, izy. Nisy polisy niditra an-tsokosoko tao an-tranony, roa volana taorian’izay, dia nisava ny tranony tamin’izy tsy tao.

Tsy dia mahita tsara i Dmitriy sady ambony ny tosidrany. Hoy izy: “Tsy miankina amin’ny fahasalamako anefa ny fifandraisako amin’Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Sady faly aho no mirehareha hoe afaka mitory ny vaovao tsara eny amin’ny fitsarana.”

Zatra namaky Baiboly sy nisaintsaina tsy tapaka i Dmitriy sy ny vady aman-janany. Nanomana fivoriana foana koa ry zareo dia nivory sy nanome valin-teny. Lasa nifandray be tamin’i Jehovah ilay fianakaviana nandritra ny taona maro. Lasa nifankatia be koa ry zareo sady vonona hiaritra fanenjehana. Hoy ihany izy: “Ny vavaka nataon’ny rahalahy sy anabavy no anisan’ny tena nanampy anay. Henoin’i Jehovah ny vavak’ireny olo-marina ireny, dia lasa nahazo fitahiana tondraka avy tamin’i Jehovah izaho sy ny vady aman-janako.”

Betsaka ny zavatra ianarantsika amin’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, satria tsy matahotra ry zareo miaritra fanenjehana sady falifaly foana. Mitovy fihetseham-po amin’ilay voalazan’ny 2 Tesalonianina 1:4 isika rehefa mieritreritra an-dry zareo. Izao no voalaza ao: “Ianareo ... no reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra, noho ianareo miaritra sy manam-pinoana na dia miatrika fanenjehana sy zava-tsarotra aza.”