Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Viktor Bachurin sy Aleksandr Kostrov ary Artur Netreba

27 APRILY 2021
ROSIA

Tsaraina Noho ny Finoany ny Rahalahy Telo avy any Lipetsk Rehefa avy Notanana Am-ponja 331 Andro

Tsaraina Noho ny Finoany ny Rahalahy Telo avy any Lipetsk Rehefa avy Notanana Am-ponja 331 Andro

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ilay Fampakarana Fitsarana

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Lipetsk tamin’ny 20 Janoary 2022 ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Viktor Bachurin sy Aleksandr Kostrov ary Artur Netreba rehefa nampakatra fitsarana izy ireo. Efa hampiharina izao ny sazin-dry zareo.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskiy any Lipetsk i Viktor sy Aleksandr ary Artur, tamin’ny 24 Novambra 2021, ary nasaina nandoa onitra 500 000 roubles (26 780 00 ariary eo ho eo) tsirairay izy ireo. Vola 300 000 roubles (16 000 000 ariary eo ho eo) ihany anefa no notakiana tamin’izy ireo, satria nilaza ny fitsarana fa honerana ny fotoana laniny tamin’izy ireo notanana am-ponja vonjimaika. Tsy migadra izy ireo izao.

Ireo voampanga

Viktor Bachurin

  • Teraka: 1962 (tany Pavloski Possad, any Moscou)

  • Mombamomba azy: Manambady izy ary roa ny zanany. Manan-jafikely vavitokana koa izy. Tamin’ny 1990 tany ho any izy no nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary natao batisa tamin’ny 1992. Izy irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany

Aleksandr Kostrov

  • Teraka: 1961 (Sortavala, Repoblikan’i Carélie)

  • Mombamomba azy: Mpanamory fiaramanidina, mpanao sodiora, ary elektrisianina no asany. Nivady izy sy Larissa tamin’ny 1997. Manan-janaka roa izy ireo. Efa misotro ronono izy izao ary tia manjono. Rehefa resy lahatra izy hoe mahasambatra ny manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainana, dia natao batisa izy tamin’ny 2002

Artur Netreba

  • Teraka: 1978 (Glodeni, any Moldavia)

  • Mombamomba azy: Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 1995, ary manan-janaka vavitokana. Nifindra tany Lipetsk izy mianakavy mba hitady asa. Tompon’andraikitra amin’ny trano fivarotana ny asany. Lasa resy lahatra izy hoe tena misy dikany ny fiainana rehefa mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2000

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany an-tranon’ny mpiara-manompo fito ny manam-pahefana, tamin’ny 2 Desambra 2019. Nosamborin’izy ireo ny Rahalahy Viktor Bachurin sy Aleksandr Kostrov ary Artur Netreba. Nomelohin’ny Fiarovam-pirenen’i Rosia (FSB) izy ireo hoe “mpanao heloka bevava raindahiny satria nikomy tamin’ny fitondrana”, hono. Nanatrika ny fivorian’ny fiangonana sy nanao zavatra hafa nifandray tamin’ny fanompoana anefa ilay lazaina fa hoe heloka bevava nataony. Natao am-ponja vonjimaika àry ireo rahalahy ireo nandritra ny 331 andro.

Tsapan’i Aleksandr hoe nihamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah nandritra ny fotoana nigadrany. Nilaza izy hoe: “Rehefa miatrika fitsapana hoatr’ireny ianao, dia lasa hitanao hoe i Jehovah irery ihany no afaka ny ho eo foana, dia Izy ihany koa no voalohany afaka manampy anao.”

Nilaza i Artur hoe: “Tena tapa-kevitra aho hoe hiezaka mafy mba ho faly sy ho tony foana. Miezaka foana koa aho mitadidy hoe mandalo ihany izao sady mbola hositranin’i Jehovah koa ny ratram-poko. Na aiza na aiza misy ahy, dia misy hirika hiresahana momba an’i Jehovah Andriamanitsika foana.”

Hoy i Viktor: “Rehefa niaina an’ireny toe-javatra ireny aho, dia nasehon’i Jehovah tamiko hoe izy no Namana azoko itokisana indrindra. Tsapako hoe tena tia ahy foana Jehovah.”

Nankasitraka be ny nataon’ny mpiara-manompo i Viktor. Ry zareo mantsy no nikarakara ny vadiny tsy Vavolombelona nandritra ny fotoana nijanonany tany am-ponja. Nilaza i Viktor hoe: “Faly be ny vadiko satria naneho fiahiana azy ny anabavy sasany. Mino aho fa ho resy lahatra izao ny fianakaviako hoe tena mifankatia marina ny mpanompon’i Jehovah.”

Matoky isika fa mbola hanohana ny mpiara-manompo rehetra any Rosia sy any amin’ny tany hafa misy fanenjehana i Jehovah.​—Isaia 51:12.